25-mai-2022
Efa nitondra tetezamita 5 taona ny Filoha Andry Rajoelina. Nilaza fa vita ny nampandeha ny fiainana teto na tsy nisy famatsiambola aza.
Hamaky ny tohinyTelo volana katroka omaly talata 24 may 2022 ny ady any Ukraine. “Opération spéciale” no nitondran’ny Rosianina azy tany am-boalohany, ary nambara tamin’izany fotoana izany fa ao anatin’ny andro maromaro ny hakany an’ity
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Herintaona izao no nandaozan’ny Profesora Rabearimanana Gabriel antsika, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika MONIMA nahatsiaro ny 25 mey 2021. 76 taona feno dia feno satria vitany tamin’ny fomba mendrika sy azo atao
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Tontosa tany Accra Renivohitr’i Ghana alatsinainy 23 mey 2022 lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny governemanta Malagasy, izay nosoloan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Tsy matin’ireo jiolahy eto an-drenivohitra lolo mihitsy ireo mpanao cash point eto amintsika. Amin’ny ankapobeny mantsy dia heverin’izy ireny ho any amin’ireny olona ireny ny volabe maty nandritra ny tontolo andro sy ny renivola
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Olana ho an’i Madagasikara ny tsy fahafehezana ny sehatra tokony ho laharampahamehana, kanefa ny fitantanana sy fanomezana hasina ny harena tsy tena tafapetraka.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Raha ny 01 mey no nanaovan’ny Filoham-pirenena fandaharana momba ny fampiakaran-karama ho an’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa tsy miankina, ary hihatra avy hatrany amin’ity volana may ity izany,
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Manomboka miditra mian-dalana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika ankehitriny. Na izany aza efa tena mamirifiry tanteraka izany antony mampahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka,
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Vondrona mpanome rà 18.000 no nanampy tamin’ny fifehezana ny famatsian-drà tany Korea Atsimo. Nanjaka maneran-tany ny tsy fahampian’ny famatsian-drà noho ny Covid-19. Tamin’ny volana Janoary,
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Hafakely ny fanaporetana mahazo ireo mpianatry ny EPP ao Befatotra, distrikan’i Sambava. Tsy mahazo mianatra toy ny mahazatra mantsy ny mpianatra ao amin’ny taona faharoa raha tsy mitondra kitay hazomainty ho an-dRamose
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Nahemotra amin’ny 09 sy 10 jolay ho avy izao ny fotoana hanatanterahana ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Tsorina fa mbola tsy mahaleontena ara-tsakafo I Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Miitatra hatrany ny fahavoazan’ny lalam-pirenena fahaefatra. Manomboka etsy Andranovelona dia efa feno lavadavaka ny arabe ka hatrany Ankazobe.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Maro amin’ireo orinasa tsy miankina no mbola tsy afaka nanondrotra ny karama,Efa mazava ny antony fa miaina anaty krizy ny firenena, sy izao tontolo izao mihitsy.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
Rehefa miresaka amin-janako (19 sy 16 taona) aho dia matetika mahateny hoe «Ka tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany». Ilay «andronay» resahako amin’io, ny taona 1980-1990, nitovizako «génération» aminy ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
25-mai-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.