Natolotry ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison teo anivon’ny Antenimierampirenena omaly ny ny Volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Nivoaka tamin'ny fahanginany i Kohen Rivolala mpitarika fivavahana sy mpitarika antoko politika manoloana ny fiparitahan'ny horonan-tsary miendrika fihantsiana sy fampihorohoroana
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
"H𝘪𝘩𝘪𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯'𝘪 𝘎𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢", izay moa no tena filamatry ny lalao fifaninanan-kira Top Kanto, fandaharana, fifaninan-kira eo anivon’ny onja-peo Top Radio FM 102.8.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Tsy arakaraka ny vava be nataon’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny propagandy fa tsy handroso isika na amin’ny 2030, 2050, 2060,…
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Nitondrana fanampiana ara-pitaovana mitentina 1 200 000 dolara hiatrehana ny loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro ny Amerikanina.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Fitazonana aina fotsiny, hoy ireo mpitatitra, io fampiakarana saran-dalana ho 1.000 Ar io na dia efa hiakatra avo roa heny be izao aza izany amin’ny fiandohan’ny volana jolay ho avy io.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Andao terena hampiasa an’I Tsimiroro ny mpitondra, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Andravoahangy omaly.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Mpikambana vaovao miisa 15 indray no mandrafitra ny birao maharitry ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana eto amintsika taorian’ny fifidianana notanterahin’ireo mpikambana manerana ny Nosy ny 15 Jona lasa teo.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Tsy marina ny filazana fa misy ny fandefasana mpiasan’ny fadin-tseranana any Addis Abeba handeha hanara-maso ireo mpandeha Malagasy tonga any, hoy ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana Atoa Lainkana Zafivanona Ernest omaly.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Tahaka ny tovolahy iray feno 18 taona anaty tokantrano iray ny resaka fahaleovantena eto Madagasikara, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika PSD, Eliana Bezaza.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Tontosa ny dingana voalohany amin’ny fanofanana maharitra iray volana mikasika ny filalaovana tantara amin’ny onjam-peo,
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Efa sady sahiranina hiverina any amin’ny distrika misy ny renin-karatra izany ankehitriny ny olompirenena very karapanondro na hanavao ny karapanondrony no mbola asaina mitady ny plastika
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Tena faritra mena ny etsy Namontana. Jiolahy iray nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana indray no maty voatifitry ny polisy afak’omaly alina teny an-toerana tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Manahiran-tsaina ankehitriny ny miheritreritra ny mety hoavin’ity firenena ity. Hiatrika volana vaovao tsy ho ela isika.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Mahatratra 1000 ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany mahery vaika niseho tany Afghanistana. Tany amin’ny tapany Atsimon’ity firenena ity no nisehoan’io, izay nahatratra 5,9 richter.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
Isan-taona izao, manafintohina ny maheno fa misy tambin-karaman’ireo Mpampianatra nitsara ny CEPE tsy voaloa. Efa an-taona maro.
Hamaky ny tohiny
23-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.