24-juin-2022
Mbola manjavozavo hatreto ny momba ilay afera goavana fanodinkodinana solika hatrany amin’ny 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama, izay voalaza fa nanjavona tsy hita popoka.
Hamaky ny tohinyKolikoly etsy, afera maloro ero, fanodinkodinana volam-panjakana, halatra solika, trafika sy halatra volamena, orinasam-panjakana banky ropitra,…
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Miverina miandalana amin’ny heriny taloha ankehitriny ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Nitolo-batana teny amin“ny Sampana miady amin“ny heloka bevava Sakelika voalohany teny Anosy ny tovolahy iray 27 taona ny 20 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro rehefa avy namono olona.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Rehefa miresaka hoe fiakaran’ny saran-dalana dia mazava ho azy fa tsy maintsy voakitika anatin’izany ny mpiasa satria mbola vitsy ny orinasa miantoka fitaterana ho an’ny mpiasany, hoy ny Randrana sendikaly.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Tsy mbola latsaka an-davaka lalina tahaka izao ny firenena Malagasy hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Mahantra amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy izay efa ny 81% no voasokajy ho ao anatin’ny fahantrana farahidiny
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Voasonia omaly alakamisy 23 jona 2022 teny amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eny Fiadanana ny tetikasa FSPI (Fonds de solidarité pour l’innovation),
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Lasa lamaody be amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao ny fampiasana ny laser maitso.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Nanao fampitandremana ankolaka ho an’ireo ambarany fa mieritreritra hanao asa fanakorontanana ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Richard omaly.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Notsaraina omaly alakamisy 23 jona 2022 i Ninie Donia mpitarika ny Vovonan’ny mpanohitra RMDM any Nosy Be, kandida depiote TIM tamin’ny fifidianana, filohan’ny Fikambanana Zafiny Fotsy,
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Tsy nanadino ireo zokiolona rehetra ao amin’ny kaominina iadidiany ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Tonga nitety ireo Fokontany 12 isa izy sy ireo mpiara-miasa aminy omaly,
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Ranom-boankazo vaovao ho hita eny an-tsena Tsy tokony alahelo ireo mpisolo ny Coca cola.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Taorian’ireo mpanala fanadinana CEPE dia tsy nanadino ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Nijoro sy naneho firaisankiana mitaky ny famoahana ireo mpampianatry ny CEG roalahy tao Ambidiampana Bealanana ny fokonolona.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Misy taolana potika ao ambanin’ny ankihiben’ny namana mpanao gazety Teholy Martin, tranga izay mety hitarika amin’ny tsy fahafahan’ireo rantsam-batany rehetra hiasa intsony
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Lehilahy iray, 31 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina omaly Alakamisy 23 jona tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
Notanterahana ny 22 jona teo tao amin’ny kaominina Ambatomena, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, ny fanolorana “poste avancé”
Hamaky ny tohiny
24-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.