05-juil-2022
Miha ratsy toerana hatrany ny Fanjakana Rajoelina, ary mitombo ny tsindry ara-politika ho azy.
Hamaky ny tohinyMitaintain-dava tahaka ny sahobakaka ambodiriana ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy manana antoka firy amin’ny ho avy, fa toa tandindonin’olana mandrakariva.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Tsy ahitana andro mihiratra amin’ny tsy fandriampahalemana ny Faritanin’i Toliara indrindra fa any Atsimo Andrefana sy Androy,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Araka ny didim-pitsarana mikasika ny CISCO Soavinandriana dia tsy mahazo mivoaka ny faritra iadiadiako na “sous contrôle judiciaire” ny tenako,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Raha 421 000 ny olona 18 taona mihoatra (50, 5%) nokendrena ho vita vaksiny amin’ity taona ity eto Antananarivo, dia voalaza fa ny 227 000 (27, 2%) no vita hatreto,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Nanampy ireo Fianakaviana may trano tao amin’ny fokontany Manjakaray IIB sy ireo mpianatra miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpanabe azy ireo tao amin’ny EPP Ivandry noho ny famaranana ny fankalazana iray volan’ny
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Saika misy olana avokoa ireo orinasam-panjakana sy sehatra ara-panjakana samihafa. Izay misy vola toa ataon’ny Fanjakana fandoarana vola, raha tsy hilaza afatsy ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale),
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Mbola ferana ho miisa 10 isan’andro hatrany hatramin’izao ireo fitoriana raisina eny anivon’ny sampan-draharaham-pitsarana sasany,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Hisy delegasionina Malagasy horaisin’ny Filoha Afrikanina Tatsimo Cyril Ramaphosa rahampitso talata 05 jolay 2022 mba hiresahana ny hifampidinihana momba ny famerenana ny fifandraisana an’habakakabaka eo amin’ny firenena
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Tsy dia milamina loatra ny fari-dranomasin’i Menabe. Misy sambo vahiny manao fitrandrahana tsy ara-dalana mantsy any an-toerana matetika saingy tsy hita tampoka izy ireo noho ny toetr’andro izay somary ratsiratsy tato ho ato.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Asa na noho ny tahotra na noho ny antony hafa fa tsy mbola hampiakatra saran-dalana indray ny vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Raha nahatratra 11 mianadahy ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny AKAnin’ny MArenina etsy amin’ny 67 ha
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Tratry ny kiana samihafa amin’izao fotoana izao ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ka misy mihitsy ny milaza fa tsy miady ho an’ny fanatsarana an’ny oniversite ny Minisitra ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Vaovao mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatrany hatreto ny mikasika ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Niady dia niady ny lalao famaranana ny Champions league Atsimondrano izay notohizana ny alahady teo noho ny olana ara-toetr’andro tamin’ny herinandro.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Zaza menavava sahabo mbola tsy ampy iray volana no nisy nanary teny Antsahatsiresy, Sabotsy Namehana, omaly hariva,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Na dia teo aza ny fahatarana tany amin’ny fanombohan’ny asa dia ezahana ho vita mialohan’ny vanim-potoan’ny orana ny fametrahana ny “couche de fondation”
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Lehilahy iray manodidina ny 31 taona no tratra ambodiomby nisintona finday teny an-tanam-behivavy iray teny Anjanahary hihazo iny faritra Andravoahangy iny afak’omaly.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Matetika niverimberina teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy nandritry ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, Baomiavotse Vahinala Raharinirina,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny faran’ny volana jona teo ny hanomezana tohana ara-bola andiany faharoa mitentina 85 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Tena tsy matahotra intsony mihitsy ireo mpifoka rongony amin’izao na dia amin’ny andro atoandro aza.
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manodidina an’Anosy,
Hamaky ny tohiny
05-juil-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.