25-juil-2022
Tsy sahaza, tsy mendrika ny Malagasy ny fihetsika nataon’ny Fanjakana, fampihorohoroana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy, fanaovana fitaovana an'ireo mpitandro ny filaminana, mba hiarovana ny tombontsoany », hoy i Marc Ravalomanana manoloana ny nisamborana ny Sekreratera Jeneralin’ny Antoko TIM sy ny Mpandrindra io Antoko io.
Hamaky ny tohinyEndriky ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena intsony ny zava-niseho teto Antananarivo ny sabotsy teo ireny.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Manoloana ireo toe-draharaha rehetra misy eto amin’ny firenena, ny Antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM dia manameloka ny fihantsiana etsy sy eroa, na avy amin’iza na iza.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Vao mangiran-dratsy dia efa rakotra mpitandro filaminana zavon-tany hary fitaovam-piadiana ny teny amin’ny Magro Behoririka sy ny manodinana an’Analakely, ny Kianjan’Ambohijatovo, ny Garazin’Analakely,… ny sabotsy 23 jolay 2022 teo.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Nitondra medaly miisa 5 nody ny malagasy hany nandray anjara tamin’ny tompondakan’I Afrika amin’ny fampiadiana sandry na ‘’Bras de fer” andiany faha 11, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Mampiteny ny moana ny haratsian-dàlana ao Moramanga Renivohitra, feno lavaka be, azo hiompiana trondro. Tena tsy misy fikarakarana,
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Nifanena tamin'ny tanjozotram-piara na “cortège présidentiel” teny By pass ny tovolahy iray ny alakamisy teo. Nampiondrika ankihiben-tanana na nanao “pouce inversé”
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Tsy niandry ela, fa ny alin’ny nisamborana azy ireo dia nisy avy hatrany ny fambarana nataon’ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko TIM Jean Claude Rakotonirina sy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, izay
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
“Eh! O ry tiako! Miandry anao aho f’aza ela e!”. Tsy zaza, tsy ankizy, tanora, lehibe efa matotra; samy tsy nisy nahafaka izany tononkira izany tao am-bavany tao avokoa tany amin’ny taona 2000 tany.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Nahatratra 302 934 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara tao anatin’ny 5 volana voalohan’ity taona 2022 ity. 228 248 taonina ny tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny vanim-potoana mitovy, i
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Vao mainka nafana kokoa ny akon’ny hetsika sy ny sakoroka ara-politika ny faran’ny herinandro teo teto Antananarivo noho ny sakana nataon’ny Fanjakana nanetsika mpitandro filaminana zavontany.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Inona marina moa izany no dia tena antony nanakanana ireo tsy faly amin’izao fitondrana izao hiditra tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo? Inona no dia tena antony nisamborana ny sekretera jeneralin’ny antoko politika
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany manodidina ny 12 volana no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin’ny distrikan’Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia taxi brousse iray mitondra
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Manomboka miteny ny sora-baventy eny ho eny manao hoe: “Miala Rajoelina”, tahaka ny sora-baventy tazana tetsy 67 ha ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Lafo dia lafo ny gonin-tsaribao amin’izao eny an-tsena. Misy mahatratra 40.000 Ar izany indrindra taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Efa tafakatra 4.000 Ar ny iray kilao amin’ny siramamy tamin’ny herinandro lasa teo teny an-tsena. Tsy nisy izay tsy nitaraina vokatr’izany ireo mpanjifa indrindra fa ireo mpanao mofo sy kafe.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Na teo aza ny fanakanana ny famoriam-bahoakan’ny TIM tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo, narahina fisamborana, dia milaza tsy hihemotra amin’ny ramatahora miseho ny mpanohitra.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Olona miisa 136 no voatery niala ny trano fonenany fa noana any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana.Raha araka ny fantatra dia avy any Ankara no fiavian'ny sasany amin’izy ireo ary za amam-behivavy ny ankamaroany.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Aiza ho aiza ny mikasika ny atao hoe heloka ana habaka na “cybercriminalite” manoloana ireto kaonty fako anaty tambazotran-tserasera marobe izay hita mazava fa tsy manao afa-tsy manakorontana saim-bahoaka ireto?
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Efa voafaritra mazava ny saran-dalana miazo ny kaominina Alasora manomboka izao. Tsy misy intsony ny irika hahafahan’ireo mpitatitra mampiakatra izany indrindra fa rehefa tratra hariva ireo mpanjifa.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Lany tamin’ny serasera sy propagandy ny 4 taona nitondran’ny filoham-pirenena ankehitriny, raha ny vokatra hita toy ny fahaverezana volamena, solika miaka-bidy ambony be hatrany amin’ny 44%,
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Nihiratra kely indray ny masoandron’ny ekipam-pirenena eo amin’ny sehatry ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara taorian’ny vokatra ratsy maro nisesisesy,
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
Nisongadina sy namiratra indray ny Malagasy ho an’ny lafiny fanatanjahantena, taranja tolona na “judo” nandritra ny fifaninanana tompondakan’i Afrika.
Hamaky ny tohiny
25-juil-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.