28-juil-2022
Ny sary ezahin’ny fitondrana ankehitriny aseho, dia miasa sy matory andro aman’alina araka ny firesany ny Filoham-pirenena. Miezaka mitady ny fomba rehetra hampisehoana sary fa miahy ny Malagasy sy mamaha olana. Raha zavatra tokony hataon’ny tompon’andraikitra ao anatin’ny governemanta na ho an’ny rafi-panjakana eny ifotony aza,
Hamaky ny tohinyTaorian’ny nipariahan’ny taratasy navoakan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) mitondra ny datin’ny 11 jolay 2022 milaza fa tsy mbola ara-dalàna noho ny tsy fahafenoany ny fepetra ka tsy mbola nahazoany
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tsy ny mpanjaka Radama II, hono, no ratsy fa ireo tandapa menamaso nampianatra azy hiliba sy tsy hiraharaha ny fanjakany.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tsy milamina ny tany, voafonja 3 lahy ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina omaly alarobia 27 jolay 2022 tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany antoandro.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Ny faran'ny herinandro teo no fitsidihim-paritra faha 6 nataon'ny federasionina malagasin’ny Kung-fu Wisa izay notarihin'i Grand Maître Avoko.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Gaga sy talanjona mafy ireo mpiasa mivondrona ao anatin’ny SEMPIMIRA na ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny omaly raha nahare ilay filazana avy amin’ny ministera fa efa miverina amin’ny
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Misy olana ny ankamaroan’ireo orinasam-panjakana akanga sisa nanamborana taorian’ny « privatisation » an’ny Repoblika faharoa.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tontosa ny alahady teo tetsy amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny fihaonamben’ny Tanora miandrandra ny hoavy na TMH.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tena mitady izay hidiantsika amin’ireo mpizahantany ve no tanjona? Ho aty madagasikara irery no mila mandany fotoana sy mandany vola ireo mpandeha no tsy maintsy mbola manao fitiliana PCR handaniana 1 hetsy ariary
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tontosa ny firahalahian’ny fiombonan’ireo fiangonana zandriny na FIFIZA ao Ambohimandroso, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny fanazavan’ny Pasitera Faliniriana Rakotoarisoa,
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Samihafa ny toe-draharaha politika manomboka mafampana sy hafanafanaina, hoy ny avy eo anivon’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny foibeny etsy Ankadimbahoaka omaly.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Nitohy tamin’ity herinandro ity ny hetsika famotehana ireo entana tsy mahafeno fepetra intsony ka tsy azo amidy amin’ny mpanjifa. Fromazy, paty,
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Nihaona tamin’ny ekipan’ny Minisitry ny fanovàna nomerika ary ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha Maraokanina na « Transition Numérique et de la Réforme de l'Administration » Rtoa Ghita Mezzour,
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tovolahy iray, 16 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie Urbaine D’Intervention (CUI3) tetsy Ampefiloha ny alarobia 26 jolay lasa teo rehefa avy nangalatra aro loha.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Ny soa fianatra, ary azo atao tsara ny maka tahaka ny ataon’ny olona. Raha mijery sy mampitaha ny sary tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenna Frantsay farany teo, ny 14 jolay 2020,
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Manoloana ny fanovana rafitra eo anivon’ny taranja baolina lavalava izay ialohavana fifidianana dia nanapa-kevitra hilatsaka ho filohan’ny seksionina Antananarivo renivohitra eo amin’izay taranja izay ny tenako,
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Lehilahy iray naiditra am-ponja vonjimaika,roa hafa arahi-maso ara-pitsarana. Io no vokatr’ilay fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana taorian’ilay raharaha vakitrano nitranga tany Miarinarivo
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Mandeha an-tongotra ny antsasa-manilan’ny mponina eto Antananarivo mandeha mamonjy ny asa aman-draharaha, raha ny tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena momba ny fifamezivezena eto an-dRenivohitra.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Nandray ny masoivoho britanika, David Ashley, ny teo anivon’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Niteraka resabe teto amintsika tato anatin’ny andro maromaro izao ilay aretina soika nahafaty ny mpanankato Rak Roots.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny filohan'ny Repoblika ny masoivoho vaovaon'ny repoblika federalin'i Alemaina, Michael Gerhard Karl Häusler.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly 27 jolay 2022 ny firosoana amin'ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena malagasy.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Tontosa ny 26 jolay 2022 teo ny andro iraisampirenena ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fikoloana sy fitehirizana ala honko.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
Izay Vahiny sendra mandalo eto amintsika dia mitantara mikasika an’i Madagasikara any ambadika rehetra any. Ary satria Vazaha izy dia mora mahazo vahana amin’ny haino-aman-jery any Andafy any.
Hamaky ny tohiny
28-juil-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.