22-août-2022
25 andro taorian’ny fiatoan’ireo elatry ny Miara-manonja AZ Radio, nisy ny fandaharana manokana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo, ka nilazan’izy ireo fa zavatra hafa no dikan’ny saina fotsy, fa tsy misy mitsoaka eo, vonona hatrany ny Miara-manonja.
Hamaky ny tohinyMahita ny filazana ny fakana ny sarin’ny entan’ny filoham-pirenena ho isan’ny fifofoana ny ainy tamin’iny herinandro iny dia lasa ny saina ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Miantso ny feon’ny fiheritreretan'ny mpitondra manoloana izao fahavoazana lalina tsy hay refesina mahazo an'i Madagasikara izao, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Lasan-drizareo nizerianina hatreto ny amboaran’ny famokaram-bary aty Afrika, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Zandary iray mitondra ny anarana Tsiasanda Ratsimandresy Jimmy manana galona “adjudant”
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Notsenaina tahaka ny manam-pahefana tao Antsiranana tanàna nihaviany i M'Madi Mathyas ny sabotsy teo.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Akaiky ny fifidianana, mandeha ny kajikajy isan-tsokajiny hanoloana ireo sefom-pokontany ho olon’ny volomboasary. Isan’ny efa naneho ny depioten’i Toamasina voalohany Roland Ratsiraka,
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Kianja Mahamasina, izay ihany kianja manana fahazoan-dalana vonjimaika na “homologation provisoire" avy amin'ny CAF sy FIFA eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Nahitana fonja vaky matetika teto amintsika tato anatin’ny volana vitsy izao. Vaky afak’omaly Sabotsy 20 Aogositra indray ny fonjabe ao Fenoarivo Atsinanana.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Taorian’ny diany tany Autriche sy Frantsa, niazo ny Nosy Sainte Marie ny Filoha Rajoelina ny sabotsy sy alahady teo.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Ravan'ny afo Ravan'ny afo ny orinasa Pêche export Mahajanga ny marainan'ny sabotsy 20 aogositra 2022 teo, raha ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Saika manavao ny tolotra omeny avokoa ireo orinasa fanta-daza manerantany amin’izao volana Aogositra mamaramparana ny vakansy lehibe izao.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Ho an’ny tetibolam-panjakana lasitra na LFI 1702 miliara, ny nasiam-panintsiana na LFR 11 665 miliara Ar, ny voasoratra efa “mandaté” 4009 miliara Ar.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Mitohy ny fidinana ifotony tanterahin'ny Polisy eto Antananarivo renivohitra amin'ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana .
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Lehilahy iray no saika lasibatry ny mpanendaka teny Ankorahotra omaly tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany maraina.Nodidinina lehilahy miisa telo ny tenany raha ny vaovao azo.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Miisa 16 ireo tranga vaovaon’ny coronavirus tao anatin’ny herinandron’ny 13-19 aogositra 2022. Teto Analamanga avokoa ny 14 ary iray avy kosa tany Vakinankaratra sy Sambava.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Sarotra ny hijery fotsiny ity firenena miaina ao anatin’ny fampanantenana rivotra ity, hoy ny filoha lefitry ny antoko
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Noho ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny mpiara-belona dia tonga teny La Réunion kely ny sabotsy teo ny avy eo
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Resaka fotsiny no betsaka raha ny mikasika ny vahaolana momba ny JIRAMA no jerena.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Tra-tehaky ny Polisy manao fanamiana sivily teo am-panendahana poketrana Ramatoa iray teny Ambodin'Isotry ny tovolahy iray 18 taona omaly Alahady 21 aogositra.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
Manao izay ho afany ireo mpandraharaha mampiasa ny lalana RNT23A mampitohy an'Anosibe an'Ala sy Moramanga amin'ny fikarakarana, fa indrindra ity eto amin'ny tetezana Sahamarirana sy ny lalana tapaka ao Ankazobe.
Hamaky ny tohiny
22-août-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.