08-sept-2022
Mbola ao amin’ny “camp” ao amin’ny Akademia Miaramila ao Antsirabe ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy vao erotrerony maty, izay ahiana ho noho ny herisetra natao azy.
Hamaky ny tohinyMandeha ny fotoana, ny 07 septambra 2023 izany hoe: afaka herintaona katroka raha raisina amin’ny datin’ny omaly no hametra-pialana ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Nohamasinina eveka aty amin’ny « province »-n’i Madagascar, araka ny fanamasinana tany Kampala Renivohitr’I Uganda ny 4 septambra teo i Son Excellence Mgr Lercia.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tsy finiavana hitsikera, fa ilàna fiheverana ihany ny herisetra sesilany ataon’ny manam-basy. Misy ny azo iadian-kevitra araka ny lalàna,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Trano fivarotana iray no fantatra fa vaky tao amin’ny fokontany Tanambao, Antanambao, Antanankoro, distrikan’i Mananara Avaratra afak’omaly 06 septambra.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Mangataka sy manantena ireo Raiamandreny sy fitondrana ary ireo izay malala-tanana mba hijery akaiky izao voina
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Hotontosaina rahampitso zoma 09 aogositra 2022 manomboka amin’ny 10 ora maraina tsy amin’ny Fitsarana Tampony na ny “Cour Suprême”
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Nanao fanambarana omaly ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM fa manamafy ho ren-tany ho ren-danitra fa ny fikaonandoham-pirenena izay hatao ka
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Manoloana ny fitokonan’ireo mpiasa sokajy EPIC vitsivitsy ny alatsinainy lasa teo teto amin’ny INSTAT na sampan-draharaha misahana ny antotan’isa eto Anosy,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tena efa henjana ireo olona mpisoloky amin’ny M Vola. Mpanjifa miisa efatra tao Mahajanga no fantatra fa efa nahazoany vola 1.000.000 ar, 5.000.000 ar, 850.000 ar, sy 430.000 ar avy.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Mankalaza ny faha 10 taonany ny fikambanana DIAF Marindrano ny 16 sy 17 septambra izao, hoy ny fampitam-baovao.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ho Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana tamin’ny Filoha Rajoelina teny Iavoloha Rtoa Isabelle Delattre omaly.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Maro ny olona sedrain’ireny olona varira ireny. Ankoatra ireo fangalaran-jaza izay mihatra amin’izy ireny mantsy ary
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Raha fianarana hampitain-davitra no nahafantarana ny sekoly ambony CNTEMAD etsy Ankaditapaka hatramin’izay dia fantatra fa havadika ho oniversite nomerika izy.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitra iray no nilazan’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay efa any Ikongo,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tena mahazo vahana tanteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Lehilahy iray, 20 taona monina ao Saropody no fantatra fa tonga namaky trano tany Ambohidraserika Mahazoarivo afak’omaly 06 Septambra tamin’ny 01 ora maraina.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Nanomboka ny taona 2017 no niditra tanaty sehatry ny mozika Malagasy i Elidyat, hoy ity mpanakanto ity. Nisy fampiaraham-peo tamin’ny anadahiko,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Hisy korontana io fifidianana io raha mbola miziriziry amin'ny heviny ny mpitondra, hoy ny mpanao politika,Paraina Auguste.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Zazavavy kely iray vao 11 taona monja i Ainasoa. Tao anatin’ny tambajotran-tserasera izy no naneho ny nofinofiny fa te ho lasa miaramila eo anivon’ny tafika anabakabaka.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Ambaravarankazo Ambohimanarina, Boriborintany fahaenina,
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Nahazo fampitam-baovao ny RMDM fa tsy mifanaraka amin’ny lalana velona eto Madagasikara no nataon’ny zandarimaria tany Ikongo, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa.
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
Tantsaha ny 80%-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Saika hita sy vokarin’izy ireo ao anatin’ity kaominina ity avokoa ireo karazana legioma maro samihafa toy ny voatabia, ny anana, …
Hamaky ny tohiny
08-sept-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.