20-sept-2022
Mihamafy ny krizy ao anaty fitondrana, ka isan’ny taratr’izany ny ady an-trano izay miha mampalemy hatrany ny Fanjakana volomboasary. Raha fanamafisana orina ny Fitondrana no nanendrena olona avy amin’ny Antoko samihafa niara-dia tamin’izao fitondrana izao,
Hamaky ny tohinyMahamenatr’olona! Izay hatrany no azo ambara, saika isan’andro, eto amin’ity firenena ity. Tsy misy azon’ny mpanara-baovao sy olompirenena atao afa-tsy ny mijery adin’olon-dehibe isan’andro izao.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Noraisin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny biraony tao Antaninarenina omaly 19 septambra 2022 ny solotena avy amin’ny
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Nampiaka-peo, nanome fe-potoana 72ora ho an’ny Fanjakana hamahana ny olana mahazo ny faritra Menabe ny Fikambanan’ny Zanak’I Menabe omaly..
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Azo lazaina ho miezaka mandray lesona amin’ny firenena mikambana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala,
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 23 septambra izao ny fivoriana andiany faha-9 mikasika ny fifanarahana ara-barotra amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena ao anatin’ny ESA (Eastern and Southern Africa)
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Minisitra ny Mponina Princia Soafilira sy depiote IRD Naharimamy Irma, mpikambana ao anaty kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, mpikatroka ao anatin’ny Antoko TGV,…
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Nanambara ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ny “Îles Eparses” sy ny fiandrinany hiverina amintsika ny Rosianina tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony eto Andrey Andreev nandritra ny fivoriamben’ny fikambanana
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Tena maro anaka, nefa tsy manana vady hianteherana hamelona azy ny ankamaroan’ireo vehivavy any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Nivoaka amin’ny fahanginany, ka mitaky ny tsy fanaovana fitaovana politika sy fitadiavan-tseza ny SYPAMM (Syndicat de d'Administration Maritime de Madagascar)
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny halatr’omby any amin’ny Faritra Itasy. Voakasik’izany ny ao amin’ny distrikan’Arivonimamo izay misy omby very hatrany isan’andro.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Tsy hametra-pialana aho hoy SEG, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Sesilany ny valin-kafatra avy ao anatin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) eo anatrehan’ny fihetsika voalaza fa ataon’ireo olom-bitsy mpitarika sendika,
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Moana be ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ity solika mitapoka ity, izay fanapoizinana ny vahoaka miharihary.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Ankoatra ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN dia anisan’ny mampitaraina fatratra ny maro ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny akondro amin’izao eny an-tsena.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Mitaky ny hanalana haingana ny prefen’i Tsiroanomandidy amin’ny toerany ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy any amin’ny Faritra Bongolava.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Rehefa ny fitondram-panjakana no tsy matanjaka dia manao fanamparam-pahefana matetika ny mpitondra, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Mitohy ny fitsirihana hataon’ny foibe fitsarana fiarakodia. Tany amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny indray no nanaovan’izy ireo hetsika hampihenana ny loza ateraky ny fifamoivoizana.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Velon-taraina ireo mpiasan’ny fitsarana ao Nosy Be sy ireo olona manana raharaha ao amin’ny fitsarana,
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Mijafajafa, miaina anaty hirifiry tanteraka ilay mpanankato Gosho, mpanao ny mozika mifangaro avy any Fotsialanana Soanierana Ivongo hatramin’ny omaly.
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
Fotoana mbola mampahazo vahana tanteraka ny aretina pesta izao eto amintsika. Ao anatin’ny fotona famadihan-drazana ary hikirakirana ireo razana tahaka izao mantsy no mety
Hamaky ny tohiny
20-sept-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.