Rehefa miteny ilay mpanakanto iray izay ao anaty fampisehoany ao hoe “samy manao izay tiany” dia tena tsy hifankandrenesana amin’izay fotoana izay ny mivoaka amin’ny vavan’ireo mpankafy azy.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Miverina amin’ny tanjany indray ny delestazy, saika manerana an’Antananarivo. Maharitra ora maro, ary tsy mividy ora sy fotoana fa na maraina, na atoandro, na ariva, na alina, toa misy foana.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Ny fotoana miha manakaiky, kanefa miha tsy marin-toerana ny tontolo politika iatrehana ny fifidianana. Folo volana eo sisa dia higadona ny fotoana.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Nanao fanambarana ny mpanolontsaina manokana ara-politikan’ny Filoham-pirenena Atoa Soja Jean André na Kaleta omaly. Nilaza fa mbola mbola manohana ny Filoha ireo Vondrona Antoko miaraka aminy :
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Vonona amin’ny fangatahana amin’ny hanatanterahan’ireo firenen-dehibe tena mpandoto tontolo iainana i Madagasikara amin’ny COP 27 na fivoriam-be andiany faha-27 momba ny fiovaovan’ny toetr’andro hatao an’i Sharm
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Manoloana ny toe-draharaha misy izay miteraka fahantrana lalina ho an’ny vahoaka ka mahatonga ny firenena ho latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka satria efa voatohintohina ny fiandrianam-pirenena manoloana ny fifandraisana
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Nitokana fotodrafitrasa, lapan’ny tanàna any Mangindrano, distrikan’i Bealanana ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Nanamafy ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy mandray anjara amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa MIAMI atao ao Toliarana na koa amin’ny faritra hafa. Momba ny tetikasa PIC (Pôle Intégrée de Croissance)
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny any anaty tanana dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa ireo mampiasa ny lalam-pirenena toy ny lalam-pirenena fahafito.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Tsy tokony atao ny mampifangaro resaka mahakasika ireo parlemantera, hoy ny mpikamban’ny vovonan’ny tanora tia tanindrazana mitady fanovana eto Madagasikara na JPRM, Rivellino Ravelomahazo.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Nomarihina omaly ny andron’ny Firenena Mikambana. Ho an’ny fanamarihana teto Madagasikara, tonga nanome voninahitra ny fankalazana ofisialy ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Efa mandeha ankehitriny ny fanisana mpifidy ety Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Tovolahy iray 22 taona no nosamborin’ny Polisin’ny Brigade féminine de Proximité tao Toamasina ny 21 oktobra teo tokony ho tamin’ny 04ora hariva rehefa tratra nangalatra moto tao amina sekoly iray.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Betsaka ireo olona mbola mitaiza vatana amin’ny alalan’ny otra amin’izao na dia eto an-drenivohitra. Na dia aretin’andoha aza dia mpanotra no tadiaviny hahafahana mampitony ilay fanaintainana.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Manahirana ny fanaovana politika eto Madagasikara satria be loatra ny fanatika, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Nidina ifotony nanara-maso ny fizotry ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly teo anivon’ny kaominina Ankaraobato ny filohan’ny CENI,
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Trano miisa 8 tafo no indray may kila omaly folakandro tokony ho tamin’ny 02 ora tany Ambalaherana, kaominina ambanivohitra Ambananindrano, distrikan’Ambositra.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
Miitatra ny hafetsen’ireo mpanao cash point eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Hamaky ny tohiny
25-oct-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.