26-oct-2022
Somary mahagaga ihany ny tsy fahitana ny Minisitry ny fanatanjahantena Atoa Tinoka Roberto tato ho ato, eny fa efa hatrany amin’ny volana aogositra na talohan’izay aza. Tamin’ny lalao famaranan’ny Afrobasket U18 sokajy lehilahy tetsy Mahamasina ny 14 aogositra teo no tena nahitana azy tamina lanonana ara-panatanjahantena.
Hamaky ny tohinyMirongatra indray ny fanafihana cash point eto amintsika. Cash point iray indray no lasibatra ny Alahady hariva teo teny Ankadikely,
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Isan’ny vaovao ara-politika nafana nanomboka ny faran’ny herinandro teo nitohy tamin’ity herinandro ity ny voalaza fa tsy fitovian-kevitra teo amin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana Filohan’ny Antoko AVI sy Atoa Soja Jean André
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Fampitam-baovao ara-potoana azo avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahasaronan'ny Tafika an-dranomasin'ny Détachement Marine Nosy Be ny botry iray mitatitra olona tsy ara-dalàna nikasa ho any Mayotte ny alin'ny 24 oktobra 2022.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Eo 80% maherin’ny malagasy dia mbola tantsaha hatramin’izao, hoy isika, hoy ny tale jeneralin’ny banky malagasy NIM na “nouvelle institution de microfinance”,
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Amin’ny maha iraka na “chargée de mission” eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika no antony nahatonga ny tena ho isan’ny delegasionina nentin’ny filoham-pirenena malagasy ny tena tany Maraoka, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Soalihy Moussa.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Nahazoam-bola avo efatra heny ny fanondranana jirofo nankany ivelany tato anatin’ny sivy volana. Raha 52,5
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Anisan’ny asa tranainy indrindra ary azo lazaina ho mamelona ankohonana maro ihany koa ny asa fivarotan-tena maneran-tany. Misedra olana anefa ity asa ity ankehitriny, indrindra fa eto an-drenivohitra.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Akaikaiky fifidianana ohatran’izao mihitsy ny fivoahan’ireny karazam-panehoan-kevitry ny filohan’ny antoko politika AVI, Norbert Lala Ratsirahonana ireny, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filozofa,
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Misoko miadana ny tolo-dalàna laharana 001/2021/PL izay mikasika ny zom-pirenena Malagasy na “Code de la nationalité”. Ny alatsinainy 24 oktobra sy talata 25 oktobra 2022,
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Mitohy ny ezaka fanokafana masoivoho manerana an’I Madagasikara, raha ny mikasika ny banky malagasy, NIM na “Nouvelle institution de microfinance” no resaka, hoy ny tale jeneraliny, Harizaka Rakoto.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Morondava rehefa nokapain’ny zanany tamin’ny famaky ny lohany.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Lehilahy iray 26 taona no tratran’ny kaomisaria CSP 3 Antaninandro teny Mahavoky Besarety afak’omaly Alarobia 24 oktobra tokony ho tamin'ny 10ora maraina rehefa nivarotra moto halatra.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Olona an’arivony mpitrandraka vato beryl no fantatra fa tsy manana trano fonenana intsony ao Andranomavo Andranomiely, distrikan'Ankazobe, ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
Mpanabe vehivavy miisa 12 sy Ray aman-dRenin’ny mpianatra maromaro omaly no nanaovana fanentanana tao Mahajanga. Tao amin'ny "Centre d'activité préscolaire ISA"
Hamaky ny tohiny
26-oct-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.