30-nov-2022
Lasa lavitra ny raharaha Jirama, taorian’ny resaka tombana sy fitoriana noho ny raharaha ahiana ho nisy kolikoly avo lenta. Niakatra teny amin’ny Rantsan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny alatsinainy teo ireo Tale manodidina ny 40 isa,
Hamaky ny tohinyTamin’ny andron’ny lovantsofina sy ny rakitsoratra fotsiny aza efa nitsara ny tantara ka mainka moa fa amin’izao andron’ny tekinolojia mihazakazaka izao!
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Miasa andro aman’alina ireo "agents de sécurité" eto anivon'ny CROU-A na ny sampan-draharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso,
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Nisy omaly Atrik’asa sy tomban’ezaka notarihin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, fihaonana nanasana ireo Antoko politika, firaisamonim-pirenena, sendika…
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Fotoanan’ny fitangorongoronan’ny olona ny ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona tahaka izao.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Mipongatra ny dosie momba ny raharaham-pitantanana ny Jirama sy ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Ny tsikaritry ny be sy ny maro dia rehefa miteny amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny repoblika, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha sady mpanao politika,
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Tontosa omaly tetsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fanolorana mariboninahitra «Commandeur de l’ordre de l’Art et de la Culture» an’i Fidimalala na Rafidimalala Robert.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Efa adihevitra lehibe tao anatin’ny tapa-bolana ny hoe:aiza ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama no tsy hita tao anatin’ny fanaovana tombana.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Tovolahy iray 24 taona no saron’ny Polisy avy amin'ny sampan-draharaha miady amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina nivarotra rongony tao amin’ny tsenan’Ivato afak’omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 02 ora
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Efa ho tapa-bolana latsaka izao tsy nisy rano fisotro madio nitete intsony na dia iray sotro aza ireo paompin-drano fisotro madio ao Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Neken’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny ny hanaovana fikaonandoham-pirenena, hoy ny minisitra tamin’ny fotoan’androny sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Malagasy miisa 706 no nandray anjara tamin’ny famoahana mpianatra 100.000 avy ao amin’ny Ivotoerana Misiona Ziona izay toerana fampianarana Baiboly ao amin’ny Shincheonji Fiangonan’i Jesosy
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Ho anao akaiky rehetra, hoy I Silo, dia etsy amin’ny Piment Café no fotoana ny zoma 2 desambra izao manomboka amin’ny 9 ora alina. Ity toerana ity, hoy izy, ilay tanana matetika hilazako ny hoavy,
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Tsy an’asa ny ankamaroan’ireo tanora eto amintsika na manana diplaoma izany na tsia. Mbola maro anefa ireo sehatra malalaka azo hanofanana azy ireny eto amintsika toy
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Mpianatra miisa 228 mianadahy nandrato fianarana tetsy amin’ny Institut universitaire Polytechnique de Madagascar na ISM Advancea Ambatonakanga no navoaka tamin’ny fomba ofisialy rehefa avy nianatra 2 hatramin’ny 5 taona
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Taxi-brousse iray mampitohy an’ Ambovombe sy Fort-Dauphin, afak’omaly tokony amin'ny 03 ora maraina no notafihin’ny dahalo teo afovoan-tanana akaikin’ny oniveristen’Ambovombe.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Kamiao lehibe iray marika Renault premium no fantatra fa nisy nanafika niaraka tamin’ny tifitra sy tora-bato tao amin'ny tsenan'ny kaominina ambanivohitra Andrañanivo afak’omaly alatsinainy folakandro.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Tanterahina mandritra ny roa andro eto Antananarivo ny Dinika nasionaly hifanakalozan-kevitra sy hampahafantarana ny zava-misy momba ny ZLECAF na Faritra ara-barotra
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Namiratra teo amin’ny sehatry ny fifaninana natao tany ivelany hatrany isika eto Madagasikara tato ho ato.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Samy mbola mametra-panontaniana ny mpikatroka sy ny antoko politika samihafa hoe: inona no fifidianana omanina sy atao voalohany amin’ny 2023?
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Voalaza moa fa 37,31% amin’ny tanjon’ny isan’ny mpifidy hotratrarina no tratra hatreto, kanefa telo volana niainga ny 01 oktobra ny fanaozana manontolo ny lisi-pifidianana.
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
Nanamarika ny Antoko TIM omaly nandritra ny fanasan’ny CENI nanaovana tatitra sy nandraisana soso-kevitry ny mpisehatra momba ny fifidianana,
Hamaky ny tohiny
30-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.