08-déc-2022
Miharihary ny krizina andrim-panjakana na “crise instutionnelle” eto Madagasikara. Nihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’I Tsimbazaza sy Mahazoarivo, miozongozona ny governemanta.
Hamaky ny tohinyMisamboaravoara ny Fanjakana ankehitriny! Efa karazan’ny tonga amin’ny tsotsorimamba isaharahana,
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Nosoniavina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana teo amin’ny Madagascar Airlines sy ny Avioneur Embraer ary ny Azorra izay mampanofa io marika fiaramanidina io.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Tsy hita taratra ny fahavononan’ny Mpitondra hanatanteraka fifidianana madio sy milamina kanefa efa taom-pifidianana ny 2023 higadona afaka andro vitsy,
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Raikitra ny “Motion de censure” na fitsipaham-pitokisana hataon'ireo depiote amin’ny governemanta ety amin'ny Antenimieram-pirenena ankehitriny,
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Zazalahy kely varira iray manodidina ny 9 taona eo ho eo no fantatra fa saika namidin-dReniny 4 miliara Ar tany amin’ny distrikan’Ihorombe.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Manankarena ny Malagasy, na ambonin’ny tany, na an-dranomasina indrindra fa ny ambanin’ny tany. Tsiriritin’ny vahiny ny harenantsika.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Zandary iray antsoina hoe : sefo Santatra no lavon'ny balan'ny dahalo raha namita iraka tamin'ny fanarahan-dia tany Ankazobe afak’omaly talata.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Herintaona sy tapany izahay no nanao antso an’efitra mikasika ny resaka fitsipaham-pitokisana amin’ny maha rafitra mpanara-maso ny mpanatanteraka ny solombavambahoaka,
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny grevin’ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Supérieure) etsyy Ampefiloha.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Nantsoin'ny mpanazatra Igor Tudor hanatevina ny ekipa A ny Olympique de Marseille any Frantsa i Sayha Seha amin'izao ao anatin'ny fanomanana ny tapan'ny faharoa ny taom-pilalaovana ao amin'ny Ligy 1.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Renim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa namoy ny ainy tampoka rehefa nandalo tany ambadiky ny lisea teknika ao an-drenivohitr’Ambositra omaly maraina.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Nisy omaly ny fanambarana nataon’ireo depiote lany tao anatin’ny faritanin’I Toliara, izay nilaza fa tsy mankasitraka ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Nanao fanambarana omaly ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na HIFFIM fa noho ny fanirian’ny mpiray tanindrazana hanatanterahana fikaonandoham-pirenena itadiavam-bahaolana
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Bokan-trosa tanteraka ary tsy manam-bola ny Fanjakana Malagasy, raha tarafina amin’ny olana samihafa miseho ankehitriny. Vao teo amin’ny 35% ny famoaham-bolam-panjakana dia nofaranana ny volana oktoba, araka ny
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry Hatrefindrazana sy ny Tale Jeneraly Randrianandrasana omaly.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Nifarimbona ny teo anivon’ny fitaleavam-paritra miisa enina eto anivon’ny MNDPT na ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny Fanovàna ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra dia ny Analamanga,
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
Toerana zary fanaovan’ny sasany maloto sy fanariana fako hatramin’izay ny manoloana ny ORTM etsy Anosy.
Hamaky ny tohiny
08-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.