13-déc-2022
Raha tany Toliara no nanamarihan’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha Marc Ravalomanana ny tsingerin-taonany tamin’ny taon-dasa, dia tao Fianarantsoa kosa no nanamarihany izany ny andron’ny omaly 12 desambra 2022. Feno 73 taona omaly i Marc Ravalomanana
Hamaky ny tohinyRaikitra ny ampamoaka momba ny fitantanana ara-bola ao amin’ny Antenimierampirenena. Nanaitra ny karazana ampamoaka nataon’ny Depioten’Ambovombe Atoa Milavonjy Philobert momba ny fitantanam-bola tsy mazava,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Nisokatra omaly tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny atrikasa fanamafisana ny fahaizan’ireo vehivavy parlemantera, avy amin’ny fiarahamonim-pirenena,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Tsy noraharahian’ny solombavambahoaka ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera tahaka ny Sekretera Jeneraly, Tale Jeneraly,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
zazalahikely varira vao 05 taona monja no nalaina lehilahy miisa 03 an-keriny tao an-tranony tany amin’ny distrikan’Ikongo, andro vitsy lasa izay.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Mitohy ny fifanolanana mikasika ny làlana etsy Ambatombaro izay hamafisin-dRtoa Razakarisoa Minosoa Perpetue fa anatin’ny taniny Lova XII mirefy 9A38Ca izay misoratra aminy ara-dalàna, Titre N°31281A.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Lehilahy iray manodidina ny 65 taona eo ho eo no fantatra fa latsaka tany anaty lava-drano ka namoy ny ainy.Tao Antsahamasina,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Nahemotra amin’ny daty tsy mbola voafaritra ny fihaonana eo amin’ny loholona sy ny governemanta tokony ho natao ny andron’ny omaly alatsinainy 12 desambra 2022.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Olona sahirana mpamaky vato aman-jatony teny amin’ny « carrière » Ambatomaro no samy nahazo fanampiana toy ny vary, menaka, savony,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Hiroso amin’ny fametrahana fitoriana eny amin’ny HCC ny depiote, raha toa ka mbola misy ny fiziriziriana amin’ny fitsipahana sy fanakantsakanana ny fitsipaham-pitokisana,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Mbola ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena feno taona amin’ny fifidianana eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Ny alin’ny alahady 20 desambra lasa teo no nisiana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tao Ambendrana ‚ fokontany Ankiririky ‚
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Nisy omaly ny fanambarana ara-politika fohy nataon’ny filohan'ny Antenimierampirenenena, Razanamahasoa Christine, manoloana ny ambarany fa fisiana toe-draharaham-pirenena mampisavorovoro ny sain’ny vahoaka
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Renim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty efa tsy nisy lohany intsony tany amin’ny distrikan’i Manja afak’omaly alahady maraina.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Ry namana sy mpiray Tanindrazana, mafy dia mafy no nanjo antsika noho ny fomba nitondrana tsy mijery ny tombontsoan’ny maro nandritry 4 taona izao,
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Ankoatra ny fandefasana iraka mitety tokantrano mandray ny anaran’ireo feno 18 taona rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny taona 2023
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Tafakatra 1.000 Ar amin’izao ny vidin'ny rano iray bidon miloko mavo any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milenaky Distrikan’i Toliara II.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
Nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny antenimieram-pirenena farany teo, hoy ny antoko politika Otrikafo, tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy omaly.
Hamaky ny tohiny
13-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.