14-déc-2022
Nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021, nahatratra 772 miliara Ar izany hoe efa mananika ny 780 miliara Ar ny teti-bidin’ny vola vahiny tokony ho nampidirin’ny fanondranana volamena teto Madagasikara saingy very,
Hamaky ny tohinyDiso ampitoniana tokoa, raha izay angamba no azo ilazana azy, ireo manam-pahefana sy sehatra politika sasantsasany eto amin’ny firenena, indrindra, ny filohan’ny antenimieram-pirenena manoloana ny olana anatiny ao
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpitrandraka madinika, manana taratasy ara-dalàna amin’ny fitrandrahana vato any amin’ny Fokontany Ambalamahatsara, kaominina Fenoarivo, disitrika Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Dimy mianadahy no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny 09 desambra teo teto an-drenivohitra rehefa nifoka sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Manana ny anjara toerany lehibe eo Madagasikara ny injeniera. Izy ireny mantsy no manao fikarohana miketrika andro aman’alina ireo karazana foto-drafitrasam-pampandrosoana tanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Mihalalina ny krizin’andrim-panjakana sy ny krizy politika, ankoatra ny tsy fahafehezan’ny Fanjakana ankehitriny ny lafiny toekarena, ny krizy ara-bola, ny olana sosialy,….
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Manasa ny olompi-renena rehetra ny antoko politika Humaniste Ecologiste na HE Mada hanohana ireo antoko politika manana fotokevitra sy ideolojia hitondrana fampandrosoana eto amin’ity firenena ity.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Anisan’ny noresahina nandritra ny Ambodivona ny "salon de l'ingénieur 2022 nanomboka omaly teny Ambodivona ny lohahevitra hoe :
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Tsy mijanona amin’ny rarintsaina fotsiny fa zary lasa misy fiantraikany goavana amin’ny fahasalamam-bahoaka mihitsy ny fahasahiranana iainan’ny isan-tokantrano vokatry ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Vehivavy miisa roa ; 43 sy 42 taona no nosamborin’ny polisy ekonomika afak’omaly alatsinainy 12 desambra teny amin’ny toeram-piasany teny Androhibe.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Nitsidika ny tanànan'i Tolagnaro, renivohitry ny Faritra Anosy ny Sekretera Jeneralin’ny Randrana Sendikaly, Rakotomanga Barson.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Velona sy miroborobo ny fikambanana ifanampian'ny terak'i Vakinankaratra, sampana Antananarivo Renivohitra na Fiteva SAR, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Ho sokafana amin’ny fomba ofisialy anio etsy amin’ny Mon gouter Andrefan’Ambohijanahary ny fikaonandoham-pirenena hitadiavana vahaolana manoloana ny zava-misy eto Madagasikara,
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Andrim-panjakana misahana andraikitra goavana ny Fitsarana momba ny kaonty na ny Cour des Comptes. Miantsoroka ny fanaraha-maso ny volam-panjakana sy ny fampidiram-bola.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Nampanantena ny orinasa Jirama fa tsy hisy very intsony ny vokatra herinaratra 120 MW avy any Andekaleka.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Tonga soamantsara eto an-tanindrazana Randriantsoa Jimmy Ben’ny tanànan’Alasora rehefa nivahiny tany La Frantsa nandritra ny andro maromaro nikatsaka izay mahasoa ireo vahoaka eo ambany fiadidiany.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Tontosa omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Tanànan'Antananarivo tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny OIF Vondron’ny tany miteny
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, rehefa nivory ny birao politikan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga dia manao izao fanambarana manaraka izao, hoy ny MMM. Araky ny lalampanorenana dia adidin’ireo
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Tsy mijanona amin’ny fanatahana poketran’olona intsony izao ny jiovavy fa efa miditra amin’ny asa fanendahana ihany koa.Vehivavy roa,32 taona sy 28 taona no tratran'ny polisy miasa ao amin'ny kaomisaria Morondava
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Zava-doza no niseho tao Sahantona Mandritsara omaly. Trano manodidina ny 33 tafo no fantatra fa nodoran'ireo Antandroy tonga mitrandraka volamena ao an-toerana.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Mitohy ny karazana fifamelezana ao amin’ny Antenimierampirenena taorian’ny fitsipaham-pitokisana nitsefotra. Toa tsy voalamina ao anatiny intsony, fa tena mifanasa vangy sy mifanao ampamoaka.
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
Fanatsafana zary ohabolana fahiny ny hoe : «Rahoviana no ho lany ny ala atsinanana !». Efa nahitam-baliny, tsy sangisangy fa mampatahotra, anefa izany ankehitriny :
Hamaky ny tohiny
14-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.