Nahazo vahana ireo karazana asa ratsy rehetra nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao farany teo.
Fanodinkodinana saim-bahoaka na fandrendrehana saim-bahoaka, io moa ilay antsoin’ny vahiny hoe “diversion”. Trafika, dosie na koa hoe ampamoaka.
Mirary soa antsika malagasy aloha amin’izao taona vaovao izao, hoy ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gérard Ramamimampionona.
Voafehin’olom-bitsy ny toekarentsika, hoy ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy.
Vao migadona ity taona 2023 ity dia isan’ny tonga ao an-tsaina raha miresaka ny tontolon’ny politika ny fifidianana. Na mbola manjavozavo aza ny pitsopitsony samihafa, ary mbola mandeha ny adivarotra politika amin’ny endriny
Ny taona no niova fa ny fomba fanao ny omaly ihany no mitoetra.Misy miezaka milalao sy mampatory ny vahoaka Malagasy ;
Tena anaty fotoam-pambolena isika, raha ny mikasika ny tantsaha no ambara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, nefa hita ho tena miady irery koa izao ny tantsaha.
Miombon’alahelo tanteraka amin’ireo fianakaviamben’ny Eglizy Katolika ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany tarihin’ny pastera Mailhol Andre Christian Dieudonné amin’izao fahalasanan’i Papa Benoit XVI izao.
Raha taonan’ny fandresena sy fihariana, ary hanakaikaizana ny vahoaka no nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hamaritana ny taona 2023 araka ny fijeriny,
Hafampana ny toe-draharaha politika amin’ity taona 2023 ity, hoy ny antoko politika Otrikafo sady nampiomana no nirary soa ny vahoaka malagasy manoloana ny fahatrarana ny taom-baovao.
Nanao fanazaran-tena voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy Barea A’ tarihin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe sy ny ekipany omaly.
Ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH-MEN mijoro ara-dalàna araka ny “récépissé” laharana 038 tamin’ny 1 jolay 2022 dia
Ankizy latsaky ny 18 taona avokoa ny 110 isa amin’ireo voafonja manodidina 20.000 ao amin’ny fonjan’Antalaha, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Iray volana latsaka sisa dia hifarana dia hifarana ny fanalavam-potoana ho an’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana,
Sady mamelona no mamono ny rano. Zazalahy kely iray vao 12 taona monja no fantatra fa maty latsaka an-drano tao Ambolomadinika Toamasina, afak’omaly Alatsinainy.
Tsy laitra ny delestazy avy orana ety aminay, hoy ireo mponina eny Fenoarivo, raha ny hita tao anatin’izay andro vitsivitsy nilatsahan’ny orana nanomboka ny faramparan’iny taona 2022 iny izay.
Lehilahy miisa roa 27 taona sy 35 taona no voasambotra tao amin’ny Fokontany Avaradrova, kaominina ambonivohitr’i Morondava afak’omaly alatsinainy 02 janoary tokony ho tamin’ny 7ora hariva rehefa voatondro ho
Misongadina, tsy mintsanga-menatra, tsara toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro ireo fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena, vondrona iraisam-pirenena,…