01-févr-2023
Nandeha omaly ny Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy na Malama tokony ho efa natao iray volana lasa. Fitorian’ilay teratany vahiny antsoina hoe Olivier Blancard azy ho namoaka vaovao tsy marina.
Hamaky ny tohinyOhatra an’ireny sarombilany vaky be dia be tao anatin’izao fotoanan’ny Barea izao indray ihany io.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Isan’ny notaterin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 11 janoary 2023 ny tsy nanavaozana intsony ilay fepetra ara-ketra sy haban-tseranana manokana nomena ny orinasa QMM Tolagnaro nandritra ny 25 taona,
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Tsy misy tanteraka hatramin’izao ny fanatanterahana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Mampalahelo ny maheno ny filoham-pirenena milaza hoe hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay satria averimberiko foana, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena,
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Araka ny antontan’isa voaray avy amin’ny BNGRC omaly 31 janoary 2023 tamin’nyy 8ora alina, tafiakatra 33 ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Kabary matetika mivoaka eny am-bavan’ny mpitondra ankehitriny, indrindra fa ny Filoha Andry Rajoelina ny hoe: tsy mila korontana sy krizy intsony ny firenena.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Namoaka fampahafantarana omaly ny avy anivon’ny direksionin’ny JIRAMA Matsiatra ambony fa noho ny tsy
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Olona miisa 5 no ati-doha nikotrika ilay halatra « coffre fort » nitranga andro vitsy lasa izay tao anatin’ny distrikan’Avaradrano.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Misy mahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa Ar ny vola takian’ireo mpanera amin’ireo olona manana havana voafonja
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Mitady ho tonga eny amin’ny arabe ny fako ao Anosipatrana ao, kaominina Antananarivo renivohitra.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Anisan’ny asa tena mahavelona amin’izao ny asa fanamboarana moto eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Tena betsaka ireo lalana simba eto amintsika. Ankoatra ny eto an-tanàn-dehibe dia tsy lazaina intsony ny any amin’ny lalam-pirenena rehetra any, antony nampigrevy ireo fiara lehibe mpitatitra entana tany amin’iny lalam-pirenena
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Ny Reny no anisan’ny miharitra ny mafy indrindra eto an-tany. Ankoatra ny fitondrana vohoka mandritra ny 9 volana mantsy dia tsy maintsy mbola miatrika fiterahana izy ireny ankoatra ny fitaizana.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Ho fanehoana ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana ao amin’ny Rovan’Antananarivo, dia niantso solontena vitsivitsy tamin’ny taranak’Andriana (ny Andriamanjaka izany) ny Ministera.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Vaovao ara-panatanjahantena isan’ny mbola misongadina hatrany ny fifindran-dRazafindranaivo Kolona na Rakool any amin’ny Klioba Alzerianina Mouloudia Club d’Alger.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Efa ela no tokony niheverana ny sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana, hoy ny loholona teo aloha, Joseph Yoland. Tsy fahaizana mandrafitra laharam-pahamehana,
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Tezitra ny mpitondra kamiao mpampiasa ny tetezana vao namboarina eo Ambalavola Ambalamafinty eo amin’ny lalam-pirenena fahaenina na RN 6, raha ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
Baolina matin’ny Sénégalais teo amin’ny minitra faha-5 tamin’ny alalan’ny daka nalatsak’I Mamadou Sané avy any
Hamaky ny tohiny
01-févr-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.