17-mars-2023
Raikitra indray ny fihetsiketsehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 16 martsa 2023 teny Antananarivo Atsimondrano.
Hamaky ny tohinyNalaza nandritry ny andro maro ny filoham-pirenena, praiminisitra hatramin’ireo minisitra nizara vary sy laoka sy vary cantonais na “riz cantonais”
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Nilaza ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny 13 martsa teo fa mahatratra 1136 miliara Ar ny hetra tsy naloan’ny kaompanian-tsolika tamin’ny Fanjakana ho an’ny taona 2023.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Mifanarana ny andraikitra maha solontena manokan’ny Filohan’ny Kaomisionina Afrikanina eto Madagasikara an-dRtoa Hawa Ahmed Youssouf, rehefa niasa teto Madagasikara nandritra ny 9 taona angarangidina.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Nanolotra fitaovana hoenti-mamokatra samihafa ahitana “engin” sy fitaovam-pamokarana mitentina 7 536 723 dolara ho an’ny Fanjakana Malagasy ny firenena Japoney.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Hisy ny fihaonamben’ireo solontenan’ny FFKM na Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara miisa 35 manerana ny nosy ny 29, 30, 31 martsa izao, raha ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Tonga nihaona tamin’ny Filoham-pirenena am-perin’asa Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasion'ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) omaly 16 martsa.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Vaky taraina ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka na taxibe manoloana ny faharatsin’ny lalana sy ny fitoanana lavareny eto an-drenivohitra.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Ao anaty fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny fitondrana sy fitaterana olona hivoaka an-tsokosoko any Mayotte ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Diana amin’izao‚
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Hiara-kiasa hanabe ireo kilonga madinika eto Antananarivo ny Alliance Française sy ny Total énergie marketing de Madagascar na ny TEMM manomboka izao.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Fanafody ny rongony amin’ny ankapobeny hoy ny mpitsabo. Amin’ny chimiotherapie dia mitsabo ny homamiadana. Tafiditra ao anatin’ireo fanafody manasitrana aretina 250 karazana.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Andoharanofotsy ataontsika hoe misy vahoaka 58.000 isa, hoy ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Doris Rakoto Samuel.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Tsy mahagaga, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, raha misy ny ady an-trano na zava-mamoha henatra, izany hoe “scandale”,
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Mihena be mihitsy ny fanjifan’ny olona vary eny an-tsena eny amin’izao fotoana. Tsy mahalany vary iray gony intsony ny mpivarotra iray ao anatin’ny herinandro,
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Olona iray sisa raha betsaka amin’izao no manao arovava orona ao anaty taxibe. Tsy misy mampihatra ilay fihetsika fiarovana ny aretina tsy hiparitaka ihany koa ny ankamaroany rehefa mikohoka na mievona.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Olona miisa 18 no fantatra fa voapoizin’ny maionezy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andrebakely, distrikan’Amparafavola, Faritra Alaotra Mangoro afak’omaly.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Hafotaka indray ny fitohanana miazo iny faritra Soanierana sy Tanjombato iny manomboka anio zoma 17 martsa maraina.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana omaly Alakamisy 16 Martsa ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’Ambovombe.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Tsy resaka vatsim-pianarana ihany ny raharaha manahirana ny Fampianarana eto. Olana am-polo taona maro no nojerem-potsiny ka tonga homamiadana ankehitriny, mangaoka ny taovan’ny Fanabeazana.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
5 volana sisa tsy ahatongavan’ny volana aogositra, fotoana tokony handraisana ny Lalaon’ny nosy ho an’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe indianina na “Jeux des iles de l’océan indien” eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Mahatsiaro atao ankilabao tanteraka ny ady totohondry
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Izay vao raikitra. Roa taona taorian'ny tsy nahafahan'ny CFFA nandeha tany Luanda hiatrika ny lalao miverina
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
Tsy laingalainga na amin’ilay antsoina isaky ny voalohan’ny volana aprily hoe “poisson d’avril” ity,
Hamaky ny tohiny
17-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.