airtel

Be vaovao

09-avril-2021

Be vaovao

Monja Roindefo Zafitsimivalo “Mamono olona izao dingana handraisana an-tanana ireo marary izao”

Sample post image

Anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny ny firenena manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus, hoy ny praiminisitra teo aloha

09-avril-2021

 

 

 sady filohan’ny antoko politika MONIMA, Monja Roindefo Zafitsimivalo. Voasokajy ho firenena faharoa faran’ny mahantra i Madagasikara izao, hoy izy. Iaraha-mahita koa ny tsy fandriampahalemana, ny fitavozavozana eo amin’ny olana ara-panabeazana toy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy olona samihafa eto amin’ny firenena. Ny fomba fiatrehan’ny firenena iray krizy toy izao krizy ara-pahasalamana izao anefa no handrefesana ny fandrosoany na tsia. Voaporofo fa tsy mandroso i Madagasikara, noho izany, raha izao no jerena. Sahirana satria iaraha-mahita ny fahafenoin’ny hopitaly, ny tsy fahampian’ny “oxygène”, na ny fanafody lazaina fa maimaimpoana aza tsy izay akory. Maro ireo tsy manam-bola ividianana izany. Azo itarafana izany rehetra izany fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny zava-misy. Ny fepetra entina hitsaboana dia milaza hoe izao daholo no dingana tokony hatao. Tiliana aloha ilay olona, maketsy amin’ny CSB II, avy eo vao atao “Scanner” sy ny maro hafa dia hitako fa lava loatra ka manana fotoana hiitarany koa ilay aretina. Tokony hamoraina noho izany ny dingam-pandraisana an-tanana ireo marary fa ilay fanasarotana toy ny fomba fanilihana na “systeme de triage” mitranga dia mamono olona betsaka satria tsy manam-bola. Tokony ho atao tomombana ny rafitra itiliana na “système de dépistage” mba tsy hampisy risika fa raha izao endriny izao aloha dia ahiana hampihorin-koditra ny hitranga. Zavatra tsy dia lafobe daholo anefa izany raha mihoatra amin’ny tapitrisa dolara heno miditra eto Madagasikara amin’io zavatra io, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique