Mitohy ny fampahafantarana eto an-drenivohitra ny atao hoe ady amin'ny famarinana olombelona na "lutte contre la traite des êtres humains", raha ny fampitam-baovao voaray ny faran'ny herinandro teo. Anjaran'ny boriboritany faha 6 indray teto no nandray izay fiofanana sy fampahafantarana ny tokony atao manoloana ny tranga na ahiahina tranga mety hiseho mifandraika amin'ity zava-doza tsy dia voaresaka firy nefa fanitsakitsahana ny mahaolona sy famonoan'olona amin'ny endriny samihafa na an-kolaka io na mivantana mielim-patrana manerantany ity. Mpiasa amin'ny distrika sy tomponandraikitra ifotony amina fokontany miisa 31 no nanontrona izany ary nilaza ny solontenan'izy ireo fa zava-baovao ho azy ny fahenoana ny endrika maro mety hisehoan'ity tranga mamoa-doza ity. Nisy koa, noho izany, ny fampahafantarana ny lalàna sy sazy ho an'ireo izay voamarina fa nandray anjara tamina endrika famarinana olona ka tsy afa-bela amin'izany ireo mpiray tsikombakomba amin'ireo mpanao trafika. Ny birao nasionaly misahana ity ady ity eo anivon'ny primatiora na BNTLEH moa no miantsoroka hatrany izay fampiofanana sy fampahafantarana izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija