airtel

Covid 19

09-mai-2022

Covid 19

2 no maty, miha maro no voa Mitady hirongatra indray ny Coronavirus

Sample post image

Nisy olona miisa 2 indray namoy ny ainy indray vokatry ny coronavirus teo anelanelan’ny 30 aprily 06 mey 2022, araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny fahasalamana omaly alahady.

09-mai-2022

Nampiakatra ho 1393 ny isan’ny lavo hatramin’izay io. Nisy fiakarany ny tranga vaovao tamin’iny herinandro iny, izay miisa 55 hita tamin’ny fitiliana 4 765, manome taham-pahavoazana 1,15%. Teto Analamanga avokoa ny 38 isa tamin’ireo, raha toa ka 5 tany Atsimo Atsinanana, 4 Diana, 4 Vakinankaratra, 1 Melaky, 1 Matsiatra Ambony, ary 2 kosa tany amin’ny Faritra Atsinanana. Miisa 5 amin’ireo manaraka fitsaboana 92 ihany koa no ao anatin’ny fahasarotana na « forme grave ». Somary miakatra ny tranga vaovao, ka asa na fifandrifian-javatra ihany na noho ny vanim-potoana efa ao anatin’ny hatsiaka izay mety sy mampahazo aina ity valanaretina ity. Hatreto mbola ambany ny tahan’ny fanaovana vaksiny, izay mbola manodidina ny 5% amin’ny Malagasy, kanefa io hatreto no fiarovana ekena sy voasokajy ho mahomby ho an’ny sehatra iraisam-pirenena. Mila mailo sy mitandrina isika eto Madagasikara satria mampanahy raha toa ka hiakatra indray be indray ny tranga. Ny firenena matanjaka toy ny Sinoa izay isan’ny nahafehy ny valanaretina voalohany aza, hiverenany indray, ary henjakenjana ny fiantraikany, niditra tamin’ny famerenana ny fihibohana hatramin’ny Fanjakana ka tsy tokony handrihandry hanana aretina sy hahatoky tena be fahatany isika eto Madagasikara.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique