airtel

Covid 19

27-déc-2021

Covid 19

2984 ny tranga, 31 maty, 237 marary mafy Tsy araka ny fitsaboana, ahiana ny fihibohana…

Sample post image

Mandravarava tsy voafehy intsony ary tena mamono sy mandripaka ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara, ary mitombo isan-kerinandro io.

27-déc-2021

 Tafiakatra 31 ny olona namoy ny ainy teo anelanelan’ny 18-24 desambra lasa teo, izany hoe avo roa heny eo ho eo amin’ny tamin’ny herinandro teo aloha izay 16. Nahatratra 2984 ihany koa ny tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana 13 701, manome taham-pahavoazana 21,78% be izao, raha toa ka 16,85% ny tamin’ny herinandro lasa. Niakatra avo roa heny latsaka kely noho ny teo alohany ihany koa ny tranga satria 1501 ny tranga ny 11-17 desambra. Ny 2651 tamin’ireo tranga vaovao no hita voalohany, ary tamin’ny alalan’ny fikarohana ireo nitakosona ny 333. Mitana ny lohalaharana hatrany Analamanga nahitana olona voa 2284 manome 76,54% tamin’ny tranga vaovao ary manome 316 isan’andro eo, Vakinankaratra 324, Matsiatra Ambony 68, Vatovavy Sy Fitovinany 65, Atsimo Andrefana 54, Diana 37, Atsimo Atsinanana 34, Anosy 32, Melaky 31, Atsinanana 21; Amoron'i Mania 08, Itasy 06, Boeny 05, Menabe 04, Sava 04, Ihorombe 03, Analanjirofo 02, Bongolava 01, Sofia 01. Faritra miisa telo no tsy nahitana tranga vaovao, dia I Betsiboka, Alaotra Mangoro, Androy. Mahatratra 237 kosa ny marary mafy na “forme grave”. Vao mitombo ny tranga, mihasarotra ny fandraisana an-tànana, miha feno ny hopitaly, ary porofon’izany io fanapahan-kevitra hanokatra ny CTC-19 Soamandrakizay. Rehefa betsaka ny marary, tsy maharaka ny mpitsabo, mihasarotra ny fitsaboana, ka mitombo ny marary mafy na “forme grave”. Raha fintinina ireo tranga tao anatin’ny 5 herinandro, dia milaza mazava fa tsy voafehy intsony ny fipariahan’ny coronavirus. Miisa ny 258 ny tranga ho an’ny herinandro voalohany, 470 ny herinandro faharoa, 994 ny herinandro fahatelo, 1501 ny herinandro fahaefatra, ary io 2984 io ny harinandro fahadimy. Ny tsy fitandremana dia mety hizotra makany amin’ny fanamafisana ny fepetra toy ny fihibohana na fanidiana ny faritra hikatona tanteraka.

 

Mba hisaintsainan’ny rehetra sy hitandremana, ary hanaovana fisorohana amin’ny alalalan’ny vaksiny, dia noraisina ity fanehoan-kevitr’Atoa Patrick Raharimanana ity izay naneho ny faran’ny herinandro teo hoe: “Namana niditra hopitaly ety Anosiala, vao indray andro dia efa 500 000 ar no lany. Analyse 1 no efa 157 000ar + frais moto mitondra ny prélèvement eny Ivato. Mbola misy analyse, ny Institut Pasteur (IPM) ihany mahavita azy, dia entina eny aminy aloha ny “ordonnance” hakana ny “tube”, avy eo vao miverina Anosiala 18km Ambohidratrimo, maka rà, zay vao miverina IPM, tsy maintsy latsaky ny 2ora izay raha tsy izany tsy azo raisina ny “prélèvement” na fakana ny ra hotiliana”. Tena aleo misoroka toy izay mitsabo.
Toky R

 

Dans la même rubrique