airtel

Covid 19

24-juin-2021

Covid 19

“3ème vague” Afrika , “variant Delta” Eoropa Mila mitandrina amin’ny Covid 19 i Madagasikara

Sample post image

Manomboka lasibatry ny onja fahatelo na “3ème vague” amin’ny valanaretina coronavirus ny kaontinanta Afrikanina na sokajiana ho ambany mitaha amin’ny isan’ny maty maneran-tany aza ny lavo

24-juin-2021

 taty amin’ny kaontinanta Afrikanina izay 135 000 eo, raha ny tatitra ny faran’ny herinando teo. Niakatra ho 15% ny taham-pahafatesana ny herinandro lasa teo, ary voalaza fa amina firenena 5 (Afrika Atsimo, Tunisie, Zambie, Ouganda, ary Namibie) ny ¾ ny tranga vaovao. Any RD Congo, nihoatra ny PIC tamin’ny janoary indray ny tranga vaovao. Tena ao anatin’ny onja fahatelo I Afrika, ary mampitahotra, hoy ny Dr Matshidiso Moeti Lehiben’ny OMS Afrika. 4 herinandro tsy nampitsaha-nitombo, dia niakatra hatrany amin’ny 20% ny tranga amina firenena 22. Any Eoropa ihany koa, hanjaka sy hitana ny 90% amin’ny tranga vaovao any Eoropa manomboka izao, ka hatramin’ny faran’ny volana aogositra ny “Variant delta”, endrika iray isehoan’ny coronavirus, raha ny tombatomban’ny Tombanan’ny Ivon-toerana Eoropeanina momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana (ECDC). Miverina miakatra ny “variant Delta” any Israël, Angleterre,Usa, Russie,… na efa betsaka aza ny olona vita vaksiny, mainka fa raha isika marisarisa io. Midika ny toe-java-misy fa ambony be ny risika na avy aty Afrika na avy any Eoropa. Mila mitandrina mafy I Madagasikara, izay goragora hatrany. Ahiana ny ary azo eritreretina foana ny hampidangana ny tranga vaovao indray raha tsy mitandrina isika. Zava-doza ihany koa raha tafiditra eto ny “Variant Delta”, izay sokajiana ho isan’ny tena miparitaka haingana be. Tsy ampahafirin’ny firenena matanjaka isika, ary tsy afaka ny hirehareha amin’ny ambara fa paikady napetraka, toy ny hoe efa voaaron’ny CVO, CVO+,… Milaza hanavotra izao tontolo izao, kanefa fitiliana ny coronavirus aza mbola iandrasana ny vahiny. Ny firenena efa lasa lavitra amin’ny ara-pahasalamana sy fitsaboana na “sytème de santé” aza sahirana.
Toky R

Dans la même rubrique