airtel

Covid 19

03-mai-2021

Covid 19

4-mi tsy tratran’ny covid 19 Ilay loto iainany isan’andro no lasa vaksiny miaro azy

Sample post image

Vitsy ireo 4-mi na mpatory an-dalana tratran’ny Covid 19 raha araka ny fantatra. Ho an’ny tetsy amin’ny Fokontany La Réunion

03-mai-2021

 

 

 kely ohatra dia fantatra fa tsy mbola nisy tratran’ny valanaretina Covid 19 mihitsy teny an-toerana hatreto fa mbola salama tsara avokoa. Nambaran-dRalibera, filohan’ny sendikan’ny Paramed eto Madagasikara tamin’izany fa noho ireo loto iainan’ireo mpatory an-dalana isan’andro manodidina azy sy ao anatiny no lasa mivadika ho toy ny vaksiny miaro azy ireny ao anatiny ao. Nohazavainy lalindalina kokoa fa mampitombo ilay système immunitaire ao anatin’ireny olona ireny ny tontolo iainany isan’andro hany ka matanjaka kokoa ny hery fiarovana ao anatiny. Mifanohitra amin’izay kosa isika olona tsotra hoy izy na manana fiainana antony sy tena mety. Notsipihiny tamin’izany moa ireo zatra mihinana sakafo tehirizina maharitra anaty vata fampangatsiahana izay efa saika very avokoa ny ankamaroan’ireo mineraly sy vitamina entiny hany ka tsy mahaaro ny vatana intsony.

 Pati

Dans la même rubrique