airtel

Covid 19

19-mars-2021

Covid 19

Ady amin'ny covid-19 Nozaraina “visière” ireo resevera

Sample post image

Manohy hatrany ny fandraisany andraikitra ny polisim-pirenena manoloana ny fanentanana ny mponina mba

19-mars-2021

 

 

 

hanaraka ny fepetra amin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny Covid 19. Ankoatra ny fitondrana mégaphone nataon’izy ireo nampitana ny fanentanana teny an-dalambe omaly dia nisy ihany koa ny fizarana visière ho an'ireo "resevera" tsy manana izany na manana ihany fa efa simba hiarovan’izy ireo ny tenany sy ny mpandeha. Nentanina mba hampiasa ireo "Gel désinfectant" ihany koa izy ireo omaly. Nozaraina aro vava orona maimaimpoana ihany koa ireo mpandeha an-tongotra tsy manana izany raha nentanina manokana ireo manana mba hametaka tsara ny azy no sady hanasa sy hanolo izany matetika. Ho an’ireo mbola minia manampin-tsofina moa dia fantatra fa hihamafy hatrany ny sazy omen’ny polisy azy ireny raha mbola tratra.

Pati

Dans la même rubrique