airtel

Covid 19

03-août-2021

Covid 19

Ady amin’ny Coronavirus Handaniana 88 855 000Ar ny fitsinjarana ny vaksiny

Sample post image

Mbola mitoby eny amin’ny sampan-draharaha misahana ny vaksiny eny Befelatanana ireo vaksiny Johnson & johnson na Janssen anjaran’I Madagasikara tao anatin’ny vaksiny

03-août-2021

 nomen’ny Amerikanina ho an’ny firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra fa ny tany sahirana. Tonga ny talata 27 jolay teo teto Madagasikara ireo 302 000 fatra mahery, saingy mbola tsy misy ny fitsinjarana satria mbola miandry ny andiany faharoa amin’ny covishield ihany koa izy ireo. Mahatratra hatrany amin’ny 88 855 000 Ar ny fandaniana ara-bola amin’ny fikirakirana sy fitsinjarana ireo vaksiny ireo, ka mba hisorohana ny fandaniana mihoampampana no hampiandrasana azy hampiarahana amin’ny covishield andiany faharoa. “Raha ny rariny sy ny hitsiny, dia tokony manomboka misitraka ny fatra faharoa aloha ireo nahazo ny fatra voalohany tamin’ny Covishield. Raha ny fandaminana sy fandrindrana, dia miandry an’io dia miditra indray amin’ny Johnson & johnson”, hoy ny Tale misahana ny vaksiny. Ireo laharampahamehana voasoritra tamin’ny andiany voalohany tokony hisitraka, toy ny marefo, zokiolona, mpitandro filaminana tsy nahazo tamin’izany dia ho isan’ireo laharam-pahamehana amin’io vaksiny vaovao io ankoatra ireo hisitraka vaovao. Ezahina ny hahatafiditra ao ireo tompon’andraikitra ambony hanao iraka any ivelany, ireo hamita fianarana any ivelany. Mety hanomboka amin’ity herinandro ity ny fisoratana anarana ho an’izay te hisitraka ny Johnson& Johnson izay hatao eny amin’ny tobim-pahasalamana CSB, laharana maitso, sms, amin’ny alalan’ny internet,… Ireo efa nisitraka ny Covishield kosa dia tsy mila misoratra anarana intsony, fa misitraka avy hatrany ny andiany faharoa amin’io, raha toa ka tsindrona indray mandeha tsy miverina kosa ny Johnson & Johnson.
Toky R
 

Dans la même rubrique