airtel

Covid 19

07-juin-2021

Covid 19

Ady amin’ny Coronavirus Ho sarotsarotra ny fahazoana vaksiny manaraka…

Sample post image

Nanomboka ny 10 mey ny fanaovana vaksiny ho an’ny sokajin’olona marefo, ireo mifandray sy mifanerasera mivantana amin’ny vahoaka toy ny mpitandro

07-juin-2021

 

 filaminana, ny mpiasan’ny fahasalamana,… Nahatratra 250 000 ny fatrana vaksiny tonga teto Madagasikara ho antsika tamin’ny alalan’ny Initiative Covax. Ny vaksiny Covishield izay AstraZeneca no tonga teto. Raha ny tatitra tao amin’ny fahitalavi-panjakana ny 02 jona teo, 34000 mahery kely no vita vaksiny teto Madagasikara, izany hoe 13,6% eo tamin’ny nafarana no lany. Tao anatin’ny roa volana latsaka herinandro io, izay manome salan’isa 618 isan’andro eo raha raisina amin’izany. Ny herinandro lasa teo vao nitarina ho an’ny sarambabem-bahoaka manomboka 18 taona miakatra ny vaksiny. Manodidina ny 50000 izany raha betsaka indrindra ny olona nanao vaksiny hatreto, izay antony maro no nahatonga izany, ary isan’ny fositra tamin’izany ny fitondran-tenan’ny Fanjakana Rajoelina.

AHIANA TSY HAHAZO VAKSINY INTSONY

 Nampanofisina hatrany am-piandohana isika, fa tsy mampaninona io, tsy mafy noho ny pesta sy kolera,… Nolazaina fa efa manana ny CVO izay fiarovana sy fitsaboana, saingy tsy resy lahatra 100% amin’io hatramin’ny mpitondra hatreto. Betsaka loatra ny filalaovana saim-bahoaka. Novoizina mihitsy aza ny fanoherana sy fankasitrahana vaksiny, saingy tsy afa-nanoatra taty aoriana noho ny antony maro, ka nanafatra ihany. Tsy afa-miala amin’io izany isika Malagasy, fa efa ao anatin’ny fanatontoloana na “mondialisation io”. Sa hitoka-monina amin’izay ? Ny havantsika, zanantsika miasa, mianatra any ivelany mety tsy ho avy hanao vakansy aty intsony rehefa tsy milamina ny vaksiny eto. Mety tonga aty izy fa tsy ho tafiditra any amin ilay firenena misy azy avy eo. Efa lasa karazana pasipaoro io, ka dia ho hitantsika eo ny ho fihetsiky ny Filoham-pirenentsika ao anatin’ny roa taona sy tapany. Izy izay naneho ny 20 martsa, fa ny azy dia ny CVO ihany no tiany hitsaboana ny Malagasy, saingy tsy afa-nanoatra tamin’ny fampidirana vaksiny. Tsy mbola naneho ampahibemaso ny fanaovany vaksiny izy na reny mpiahy ny fanaovana vaksiny aza Rtoa Mialy Rajoelina vadiny. Tsy an-tery ny fanaovana an’io, saingy mety hanery ny zava-misy. Io iaraha-mahita io ny vokany. Ny tena loza, dia vaksiny iray lasitra amin’ny AstraZeneca noharatsian’ny Filoha mihitsy no azontsika. Ahiana tsy hanome vaksiny intsony ny iraisam-pirenena na ataon’ny olona ambanin-javatra isika, raha hopotehina ny 80% amin’ny nomeny, kanefa ny vaksiny aza ifampitadiavana maneran-tany; na hanome ihany saingy ho gidany any amin’ny filaharana i Madagasikara satria izany tsy marisika hatao vaksiny ny Malagay. Voalazan’ny siantifika fa 60 hatramin’ny 80% amin’ny mponina no vita vaksiny vao azo ny fiarovana iraisana na “immunité collective”, ka mety afaka folo taona no vitantsika izany raha io hafainganam-pandehantsika io.

 Toky R

Dans la même rubrique