airtel

Covid 19

17-janv-2022

Covid 19

Ady amin’ny coronavirus Miala any ny vaksiny “fatra fahatelo”

Sample post image

Nangataka ny hevitry ny Akademiam-pirenen’ny mpitsabo eto Madagasikara (ANAMEM) ny minisiteran’ny fahasalamana manoloana ny fanontaniana mipetraka ny amin’ny tokony hanaovana vaksiny fanampiny na « dose de rappel » hiadiana amin’ny coronavirus.

17-janv-2022

 Nanome tolo-kevitra araka izany ny ANAMEM ny 7 janoary 2022, ary teo ihany koa ny GTN (Groupe de Travail National), ka nivoitra taorian’izay araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fahasalamana fa azo atao ny manao io vaksiny fanampiny io ho an’ireo efa nanao vaksiny voalohany, ka manomboka eo amin’ny 5 volana taorian’ny nanaovana ny vaksiny voalohany no afaka manao io « dose de rappel » na “dose aditionnelle” antsoina ihany koa hoe « dose boost » io. Raha « Janssen » no karazana vaksiny natao dia afaka manampy « dose » fanindroany « pfizer » ireo nanao izany, raha « covishield » ka efa nahavita ny « dose » indroa miantoana ihany koa dia afaka manao vaksiny fanampiny « pfizer », ary ireo nanao « pfizer » indroa miantoana dia afaka manampy « pfizer » andiany fahatelo ihany koa, hoy ny fanazavana. Nisy moa ny toromarika amin’ny fanatsarana ny fahafaha-manara-maso ny dingana vita ara-baksiny, ary ny lamina eny amin’ireo ivon-toerana fanaovana izany ho an’ireo izay vao hanao vaksiny mihitsy sy ireo miditra amin’ny famerenana na “dose aditionnelle”. Efa malalaka ary azo atao tsara eto Madagasikara ihany koa mazava ho azy ny fahafaha-manao vaksiny andiany faha-3 na “3ème dose”, izay efa maro ny firenena maneran-tany miditra amin’izany.
VAKSINY 4 NO AZON’NY MALAGASY SITRAHANA
Tsara ny manamarika, fa raha ho an'i Madagasikara dia misy karazany efatra ireo vaksiny izay afaka sitrahan'ny vahoaka ankalalahana araka ny fampahatsiahivan’ny Minisiteran’ny fahasalamana. isan'izany ny vaksiny
" Astrazeneca" izay tonga voalohany ka hatao amin'ny fatra indroa miantoana izay mifanelanelana valo ka hatramin'ny roambinifolo herinandro. Ny karazam-baksiny faharoa dia ny " Janssen" izay hatao amin'ny fatra tokana ihany. Ny "Sinopharm" no karazam-baksiny faha telo izay hatao amin'ny fatra roa ka mifanelanelana telo ka hatramin'ny efatra herinandro ary natokana ho an'ny olona 18 taona ka hatramin'ny 59 taona raha toa ka manomboka ho an'ny feno 18 taona no miakatra kosa ny an'ireo karazam-baksiny telo hafa. Ny vaksiny "Pfizer" kosa no karazam-baksiny azontsika teto Madagasikara farany, izay hatao amin'ny fatra roa ary mifanelanelana telo ka hatramin'ny efatra herinandro.
Toky R

 

Dans la même rubrique