airtel

Covid 19

15-nov-2021

Covid 19

Ady amin’ny coronavirus Vaksiny Janssen 302 400 fatra indray no tonga omaly

Sample post image

Nigadona omaly 14 novambra maraina teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny vaksiny Janssen miisa 302.400 fatra avy amin'ny "Mécanisme AVAT"

15-nov-2021

vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena Tanjon'ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny hanao vaksiny ny 50,50%n'ny vahoaka Malagasy 18 taona no ho mihoatra hatramin'ny faran'ny volana jona 2023. Raha ho an'ity taona 2021 ity manokana dia manodidina ny 1.000.000 ireo olona 18 taona no ho mihoatra no kendrena hatao vaksiny, izay manome ny 3,5% ny mponina eto amintsika, hoy ny fanazavana. Nanentana hatrany araka izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Arivelo Randriamanantany ny amin'ny hanaovan'ny tsirairay vaksiny. Anisan'ny fomba mahomby ahafahana miverina tanteraka amin'ny fiainana andavanandro, ary indrindra hiarovan-tena sy hiarovana ny hafa ihany koa amin'ny valanaretina Covid-19 ny vaksiny, hoy ny fanamasina. Tsara ny manamarika fa ny Mekanisma AVAT dia mamatsy vaksiny ho an'ny firenena Afrikana ary tanjona amin'izany ny hanao vaksiny ny 60% ny vahoaka Afrikana hatramin'ny taona 2023.
Toky R
 

Dans la même rubrique