airtel

Covid 19

26-juil-2021

Covid 19

Ady amin’ny coronavirus Vaksiny Johnson & Johson 302 400 no ho avy

Sample post image

197 000 eo no natao vaksiny tamin’ny andiany voalohany, iray volana lasa izay. Nanafatra ny andiany faharoa, ho tonga amin’ny voalohandohan’ny volana aogositra, ary manamafy izany aho.

26-juil-2021

 Ilay AstraZeneca ho an’ireo nanao ny voalohany izany, ary nanafatra ny Johnson & Johnson 302 400 doses ka ohatran’ny olona teo aloha ihany no hisitraka izany. Ho tonga eto rahampitso talata raha tsy misy ny sampona. Ho voahaja ny tetiandro, miasa amin’izay fahafahana ahatongavan’ny vaksiny ny Fanjakana. Manana drafitra nasionaly iray momba ny vaksiny isika, narafitra mba ahafaha-mandrindra ny vaksiny ka nidirantsika tamin’ny “Alliance COVAX” sy “alliance AVAT”. 840 000 eo no tokony ho vita vaksiny amin’ity. Tokony ho 4 tapitrisa amin’ny 2022, ary tokony ho 10 tapitrisa amin’ny 2023. Izany drafitra izany no nahatonga ny Banky Iraisam-pirenena hanokana 100 tapitrisa dolara.
ENCADRE
Nambaran’ny Praiminisitra fa 104 no nisy firenena ahitana ny “Variant Delta” tamin’ny herinandro, ary niakatra ho 124 izany amin’izao fotoana izao, mbola tsy ao anatiny I Madagasikara. Ekena fa misy fiantraikany toy ny lafiny fizahantany ny fanakatonana sisin-tany, saingy mafy kokoa ny fiantraikan’ny fahatafidiran’ny aretina, mila arovana aloha ny ain’ny vahoaka Malagasy. Dia ahoana izany ny fisiana fiaramanidina tonga vao herinandro teo izay voalaza fa olona 94 no tao anatiny? Ao anatin’ireo sokajin’olona 5 hany afaka miditra eto ve?
Toky R
 

Dans la même rubrique