airtel

Covid 19

12-janv-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 - Antananarivo Hiverina ny sazy sy ny fepetra rehetra

Sample post image

Mety haverina ny sakana ara-pahasalamana, fa miankina amin’ny tapaky ny avy

12-janv-2021

 

 

amin’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana. Hisy ihany koa ny fivoriana miaraka amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny mpanao fitaterana hifehezana ny tranga, toy ny avy any Mahajanga, Morondava,… tonga eto amintsika. Rehefa tena miitatra be dia mety hiverina amin’izany fihibohana izany. Mety rahampitso dia manomboka, ary mety hiverina ny fepetra taloha. Tsy mila “arrêté” vaovao, fa tonga dia mihatra. Tokony ho tonga saina ny tsirairay hoe fiarovana ny tenany sy ny hafa ny fanaovana arotava. Eny amin’ny “bus” no tena iparitahany ihany koa, ka mila jerena ny fepetra momba izany, raha ny nambaran’ny Prefen’Antananarivo. Raisin any fepetra mba ho mafy kokoa ny sazy satria indraindray tsy dia raharahian’ny olona ilay fepetra, hoy ny fanazavana. 40 omaly no voasazy noho ny tsy fanaovana arotava teny akaikin’ny antenimierandoholona, izay nisy avy any anaty taksibe no nampidinina, manao fanadiovana antsasa-kadiny hatramin’ny adin’ny iray. “Tsy mijanonana mihitsy manara-maso ny fanatanterahana ny fepetra ara-pahasalamana ny polisim-pirenena. 1200 mahery no voatery nanao sazy nanao asa iombonana”, hoy kosa ny Talen’ny seraseran’ny Polisim-pirenena Kaomisera Alexandre Ranaivoson. Somary nohamafisina izy amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tranga. Samy manao izany ny polisy eny amin’ny boriborintany, ary eny amin’ny toerana be olona, toy ny tsena no hanaovana izany. Arahi-maso fatratra ihany koa ny mpamily taksikbe sy ny resevera, ary ny mpandeha. Tompon’andraikitra ny mpitatitra raha misy olona tsy manao. Mandeha ny feo any amin’ny tambajotra hoe hiverina ny fihibohana. Tsy miankina na amin’iza na iza io fa miankina amin’ny ataon’ny tsirairay, fa rehefa tsy manaja fepetra, ka mitombo ny tranga, dia mety ho tonga amin’izany.

 

Toky R

Dans la même rubrique