airtel

Covid 19

11-juin-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid-19 Karine no hanamarinana fa natao vaksiny

Sample post image

Eny, karine no hanamarinana fa vita vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 ny olona. Tranga mampahatsiahy ny fampiasana karine

11-juin-2021

 

 

 tamin’ny referandaoma momba ny lalampanorenana ny taona 2010. Tsy lavitra fa eny amin’ny Kaominina vavahadin’i Madagasikara no ahitana izany. Gaga ny olona tonga an-tsitrapo hanao vaksiny tao CSB2 Ivato fa asain’ny tompon’andraikitra tao mividy karine avy ny olona fa tsy misy hono ny karatra vaksiny ilay avy amin’ny fanjakana nampiarahana tamin’ireo vaksiny voaray. Nisy ny niroso nanao vaksiny na izany aza, fa tao ihany ihany koa ireo niahiahy fatratra sady nametra-panontaniana hoe manankery ve ity karine fenoina tanana ity sao sanatria tsindrotsindronina fotsiny ny olona fa tsy misy fanarahana sy anisana ny vita vaksiny. Nanomboka tamin’ny alatsinainy ny fanaovana vaksiny teny an-toerana. Nisy olona nihemitra tsy nety nanao vaksiny raha tsy misy karatra fanamarinana.

Jean D.

Dans la même rubrique