airtel

Covid 19

12-janv-2022

Covid 19

Ady amin’ny covid 19 Lasa mazoto manatona mpitsabo ny olona

Sample post image

Anisan’ny aretina iray tena atahoran’ny olona ny valan’aretina Covid 19 noho izy mifindra haingana be amin’ny alalan’ny piti-drora sy mamono haingana amin’ny alalan’ny fahasemporana ihany koa

12-janv-2022

. Lasa mazoto manatona tobim-pitsaboana avy hatrany ireo olona mahatsapa ho hafahafa vokatr’izany raha vantany vao misy soritr’aretina. Anisan’ireny ny serisery, ny kohoka, ny aretin’andoha, ny hafanana miakatra. Ho ana CSB II iray eny Atsimondrano eny ohatra dia mahatratra 40 isa isan’andro raha kely ireo olona tonga manatona azy. Saika ahitana soritr’aretina avokoa ireo olona ireo raha araka ny fanadihadiana natao ka alefa manao fitiliana avy hatrany ireo tena atahorana sy ahiana indrindra fa ireo tsy mahare fofona sy tsy maheno tsiron-kanina. Ho an’ny dokotera Fidy Bariniaina dia nambarany fa fihetsika efa tsara hataon’ny mpiara-belona ny fanatonana mpitsabo hisorohana ny fanaovana dokotera. Tena mahafaty mantsy ny Covid 19 raha araka ny fanazavany ary tsy mitsitsy na iza na iza eny fa na dia hatramin’ny zaza madinika aza. Na izany aza dia notsindriany fa efa manana traikefa amin’izany avokoa ny ankamaroan’ireo mpitsabo eto amintsika. Mila miaro tena araka izany ny rehetra hoy hatrany izy toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny fampiasana gel ary ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Mba tsy hidirantsika amin’ny fihibohana intsony no antony hoy dokotera Fidy no sady ho fitandroana ny fahasalaman’ny tsirairay.
Pati
 

Dans la même rubrique