airtel

Covid 19

14-sept-2022

Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 Mbola latsaky ny 30%n’ny Malagasy no vita vaksiny

Sample post image

Mandalo eto Madagasikara ankehitriny, Andriamatoa Ted Chaiban, Mpandrindra ny fiaraha-miasa manerantany mikasika ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny covid-19.

14-sept-2022

Nisy ny fihaonany teo amin'ireo delegasiona notarihany sy ny delegasiona avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan'ny Minisitra, Prof Zely Arivelo Randriamanantany omaly. Nivoitra nandritra izany ny fanaovana tombana mikasika ny hetsika zato andro fanaovam-baksiny iadiana amin'ny covid-19 eto amintsika ary noresahana ihany koa ny vaksiny mahazatra fanaon'ny zaza latsaky ny 5 taona.Tapaka ary taorian'izay fa hohatsaraina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ary manaraka ny politika ankapoben'ny Fanjakana ho fampiakarana ny tahan'ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny covid-19 sy ny fanaovam-baksiny ankapobeny mihitsy. Naneho ny fahavononany hanohana ara-teknika sy ara-bola ireo Mpiara-miombon’antoka izay tonga nanatrika izao fihaonana lehibe izao. Na izany aza dia nambaran’ny ministra fa malalaka ny safidin'ny tsirairay amin'ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara ary tsy an-tery izany. Mikasika ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 manokana moa dia fantatra fa mbola tsy mihoatra ny 30% ireo olona feno 18 taona nahavita izany eto amintsika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique