airtel

Covid 19

22-mars-2021

Covid 19

Ady amin’ny covid 19 Mila atao hentitra ny fanajana fepetra amin’ny taxibe

Sample post image

Tafakatra 209 omaly ny isan’ny tranga vaovao amin’ny valan’aretina Covid 19 manerana ny Nosy.

22-mars-2021

 

 

 Manomboka miparitaka ny aretina ka tokony samy ho mailo ny rehetra mba tsy sanatria hidirana amin’ny fihibohana indray. Ho an’ny taxibe ohatra dia tokony hajaina tsara ilay olona 4 isaky ny laharana fa tsy asiana seza afovoany toy ny fepetra efa noraisina hatramin’izay. Fadiana ihany koa ny mitondra ireo mpandeha tsy manao aron-tava, tokony hofendrahina ranom-panafody isan’andro ny taxibe hamonoana ny otrik’aretina, ankoatra ny fampiasana gel desinfectant raha vantany vao miditra eo am-baravarana. Tokony hanao aron-tava sy visière ihany koa ny resevera hisorohana ny fipitihan’ny piti-drora. Afaka fotoana fohy mantsy dia hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina indray isika eto Madagasikara ka ahiana mafy ny mety ho firongatry ny aretina raha sanatria ka tsy mitandrina isika mianakavy. Manampy trotraka izany ny mety hahatapahan’ny asa fitadiavam-bola maro isan-karazany raha sanatria ka misy ny fihibohana ka vao mainka ho lalina ny fahasahiranan’ny isam-baravarana.

Pati

 

Dans la même rubrique