airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 Mila fanampiana maika ireo mpitsabo

Sample post image

Mirongatra ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika no sady amin’ilay endriny tena mahery vaika na ilay antsoina hoe :

30-mars-2021

 

 

 

variant izay mamono haingana tokoa. Tsy vitsy ireo mpitsabo efa lasibatra noho izany ankoatra ireo mpampivelona vokatry ny tsy fahampian’ny fitaovana. Ny fotoana hiasana anefa tena maharitra izay mahatratra 24 ora isaky ny mandeha ho ana dokotera 2 raha ny loharanom-baovao azo. Sady mitsabo ireo marary ireto farany araka izany no manosika ireo marary amin’ny farafara. Ny fanamiana manokana (EPI) koa anefa tsy ampy...ny isan'ny mpitsabo tsy maharaka hany ka tsy maintsy mihafy izy ireny.Amin’izao fotoana anefa dia mibosesika ireo marary ary ambony be ny tahan’ireo olona tratry ny forme grave…Olana hafa ihany koa ny tsy fisian’ny oxygene izay voalaza fa lasa bizina mihitsy amin’izao.Tsy misy gants ihany koa ireo mpitsabo raha araka ny fantatra. Lany ihany koa ny callot, lany ny surchaussures, tsy misy koa ny savony…. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky azy ireny.

Pati

 

Dans la même rubrique