airtel

Covid 19

20-avril-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid-19 Vaksiny 4 no efa voafantina

Sample post image

Nanatanteraka fikaonan-doha niaraka tamin'ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar (ANAMEM)

20-avril-2021

 

 ny fitondram-panjakana izay notarihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny alatsinainy 19 aprily 2021 tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Noresahana nandritra izany ny fanamafisana ny paikady hiarovana ny ain'ny Malagasy amin'ny fihanaky ny valanaretina covid-19 sy ny hahazoan'i Madagasikara ny vaksiny fanefitra amin'izany. Ny fitondram-panjakana moa dia efa manaraka ireo dingana rehetra hidirana amin'ny "initiative COVAX". Taorian'ny fikaonan-doha dia ireto manaraka ireto ny vaksiny voafantina: Covishield, Pfizer, Sinopharm ary Jonhson&Johnson. Ho laharam-pahamehana hisitraka ireo vaksiny ireo ny mpiasan'ny fahasalamana ary koa ireo olon-dehibe efa nahazo taona. Ny fampiasana ireo vaksiny ireo anefa dia miankina amin'ny fivoaran'ity valanaretina ity eto amintsika sy maneran-tany. Ankoatran'ilay "initiative COVAX" dia efa mijery vahaolana hafa ihany koa ny fitondram-panjakana mba hahafahana manafaingana ny fahazoan'i Madagasikara ireo vaksiny ireo sy hamonjena ny ain'ny vahoaka Malagasy.

 Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique