airtel

Covid 19

04-juin-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 Vita vaksiny i Bodo, Princio, Samoela, Ken, Gangstabab

Sample post image

Tonga maro ireo mpanankato nanao vaksiny Covid-19 tety amin'ny foiben'ny UNICEF Madagascar eto Antananarivo.

04-juin-2021

 

 

 “Miaro ny tenany izy ireo, miaro ny hafa ihay koa, ary manambara amintsika fa mandaitra ny vaksiny. Mbola ho avy ireo hafa....”, hoy ny tatitra sy fampitam-baovao fohy nataon’ny UNICEF. Isan’ny nandray anjara tamin’izany moa ny mpanakanto Princio, Samoela, Ken (Mage4), Gangstabab, Bodo,… itsy farany izay tsiahivina fa isan’ireo olona tratry ny coronavirus volana vitsy lasa izay. Malalaka ny fanaovana vaksiny eto Madagasikara, ary natao an-tsitrapo. Nanomboka nitarina ho an’ny daholobe 18 taona noho mihoatra, toy ny eto Antananarivo izay nosokafana tetsy amin’ny Kianja Malacam ny fiandohan’ny herinandro teo. 250 000 ny vaksiny tonga teto Madagasikara, saingy raha ny antontan’isa tsy ofisialy azo ny fiandohan’ny herinandro teo dia manodidina ny 34 000 eo hatreto ny olona nanao vaksiny manerana ny nosy.

Toky R

Dans la même rubrique