airtel

Covid 19

11-juin-2021

Covid 19

Ady amin’ny Covid 19 Vita vaksiny Ravalomanana sy ny TIM

Sample post image

"Zava-dehibe ny miaro ny aina. Tsy misy azo atao hiarovana amin’io valanaretina io raha tsy ny fanefitra, izay tsy inona fa ny vaksiny,

11-juin-2021

 

 

 

 ary mila tohizana ihany koa ny fepetra sakana. Nanao antso avo aho mba hanafarana Vaksiny betsaka faran'izay tratra, mba hisian'ny "immunité collective", efa mba zava-dehibe raha mba mahatratra 50% amintsika farafaharatsiny no vita Vaksiny. Efa niresaka tamin’ny Mpandrindra maharitry ny OMS teto aho, ary nanome antoka na “garantie” izy fa tsy misy atahorana. Niandriandry ny Mpitondra Fanjakana hanao satria any ivelany, ny Filoha na ny Praiminisitra no mijoro ho filamatra voalohany. Ny eto amintsika izao ny olona lasa mieritreritra be, matahotra,... Niandry aho tsy nisy nanao dia tonga aho izao, izay no mahafaly ahy, mipetraka ho maodely. Fantatro tsara hoe: mifamahofaho ny sain’ny olona, zava-dehibe io ary tsy misy atahorana, manamafy izany sy nanome antoka ny OMS", hoy i Marc Ravalomanana omaly tonga nanao vaksiny fanefitry ny coronavirus, teny amin’ny Foiben’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana etsy Andraharo omay alakamisy 10 jona 2021. Nanao vaksiny izy mivady, ireo birao politika sy olom-boafidy TIM,… Nilaza moa ny tenany, fa niresaka voalohany tamin’ny Firenena Mikambana rehefa nisy masoivoho vahiny nilaza hanafatra, saingy tsy nahazo alalana, ka nangatahany hoe aleo hanafatra ny olona, fa safidiny io, dia nahazo. Ho avy izao ny an’ny Amerikanina, ny an’ny Frantsay,… fa izy nisafidy hanao izany teny amin’ny OMS Sampan-draharaha ao anatin’ny Firenena Mikambana. “Ny vaksiny nataoko androany, dia mitovy amin’ny nataon’ireo ambasadaoro eto, mitovy amin’ny an’ny rehetra, ary iraisam-pirenena ny vaksiny. Tena mamporisika antsika vahoaka aho hanao vaksiny, ary izao isan’ny nanao. Efa miaro 50% izy izao, ary afaka efatra na dimy herinandro amin’ny tsindrona faharoa dia ho 90%”, hoy I Marc Ravalomanana. Nohamafisiny, fa matoa ny firenen-dehibe: Amerikanina, Eoropeanina, Asiatika,… misafidy ny handany vola amin’ny vaksiny, dia izay no vahaolana.
AHOANA MARINA NY MOMBA NY FILOHA

 Raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny tsy fanaovan’ny ankamaroan’ny mpitondra vaksiny kosa I Marc Ravalomanana naneho fa efa nanao ireo: “Efa nanao ireo, minoa ahy fa efa nanao tany ambadimbadika any, misy fifaninana be io, efa nanao ireo, izay olona matahotra be mifikitra amin’ny fiainana”, hoy izy. Mpikambana roa na telo tao anaty governemanta moa no nampiseho ofisialy fa nanao vaksiny, toy ny Minisitry ny fahasamamana, Sekreteram-panjakana Miadidy ny zandarimaria. Mbola baraingo kosa ny an’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra sy ireo minisitra maro. Mety efa nisy tokoa ny nanao, ary ao ny tsy nanao izay safidy. Ny filoha Rajoelina moa nilaza ny 20 martsa, fa ny CVO ihany no tiany hitsaboana ny Malagasy satria io no ahasitrana azy. Tena tsy nanao tokoa ve izy? Mety mbola hanao ve? Ny fivoahan’ireo mpitondra ambony any ivelany no mety ho hirika iray ahafahantarana fa efa nanao vaksiny izy, ka dia andrasana ny ho fihetsiny, indrindra fa ny Filoha sy ny Praiminisitra.

Toky R

Dans la même rubrique