airtel

Covid 19

06-juil-2021

Covid 19

Ady amin’ny rongony mahery vaika Malagasy sy Afrikana 19 no voasambotra

Sample post image

Nidina ifotony sy nitarika ny fanadihadiana mikasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika toy ny rongony izay manimba ny tanora ny Minisitry ny filaminam-bahoaka omaly. Tambazotra iray no rava vokatr’izany.

06-juil-2021

Lehilahy iray antsoina amin'ny solon'anarana hoe : ra Pex no tratran'ny polisy izay efa malaza amin'ny fanaparitahana sy fivarotana rongony mahery vaika toy ny Skunk , heroine, cocaine, amphetamine, ary ecstasy ka eny amin'ireo sekoly eto an-drenivohitra no hivarotany izany.
Legende 1: Santionany amin'ireo fitaovana hampiasain'ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina eto amintsika
Rehefa tratra ity lehilahy ity dia nitohy ny fanadihadiana ka nisesisesy ny fisamborana ireo olona mpandray anjara amin'izany. Anisan'ireny ireo Afrikanina miisa 05 voasambotra tetsy Andohan'Analakely ny 2 raha tetsy 67ha ny 03 izay nahatrarana Skunk sy nanafina cocaïne tany anatin'ny fitombenany. Ireto Afrikanina ireto no mizara sy manaparitaka ireto zava-mahadomelina ireto amin'ireo gasy izay mpivarotra sy mpandray izany ka olona miisa 14 no voasambotra . Ahitana vehivavy miisa 04 misy mpianatra , mpiasa an-trano ary mpivaro-tena, ao ihany koa ny lehilahy miisa 08 , izay misy mpiasam-panjakana ambony , mpibizina, sy tanora tia rendrarendra. Tao anatin'ny famotorana ihany koa no nahalalana fa ankoatra ny fivarotana mivantana eny anivon'ny sekoly sy toeram-pandihizana ireny dia ny Facebook ihany koa no fitaovana entin'ireo olona misera sy mivarotra izany. Nandritra ny 04 andro no nanenjehana ireto mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika ireto ary faritra maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina no nisamborana azy ireo toy ny teny Ivandry, Androhibe, Amboanjobe, Isaoraka, Ampitatafika, Antsahamamy, Analamahitsy, 67ha. Ankoatra ny fahasimban'ny saina sy ny vatana vokatry ny fandraisana zavamaha-domelina dia hita fa ireo mpanao asa ratsy dia saika mandray izany avokoa toy ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izay miisa 32 voasambotra tamin'iny volana jona nivalona iny.

Pati

 

Dans la même rubrique