airtel

Covid 19

28-avril-2021

Covid 19

Ambohimanambola Nisokatra ny Fiangonana-hopitaly voalohany

Sample post image

Nisokatra eny Ambohimanambola ny Fiangonana-Hopitaly voalohany, anjara biriky sy fandraisana andraikitra

28-avril-2021

 

 

 hoentin’ny fiangonana eo anatrehan’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Tompon-kevitra tamin’izany ny Cercle de Réflexion Voatsinampy, izay nanentana sy nanao antso amin’izay rehetra azon’ny fiangonana atao. «Roso ny dia, Ny Cercle de Réflexion Voantsinampy dia manentana antsika fa indro misy ohatra iray namaly ny antsontsika, ka trano fiangonana io navadika ho fandraisana marary, ary misy dokotera nilatsaka an-tsitrapo miara-miasa amin'izy ireo », hoy ny tatitra momba ity toe-javatra ity. Fiangonana Advantista eny Ambohimanambola no natao ho Fiangonana-Hopitaly. Mahafaly ny mahita olona miroso ary tena manao amin’ny fo tokoa, koa dia manantena antsika hampita ny vaovao amin’izay mety ho fikambanana na olon-tsotra afaka hanampy azy ireo amin’ny resaka fanafody, hoy ny antso avo. Ireto avy no ilaina amin’izany: Ceftriaxone 1g, Ampiciline 1g, Quinine 600 Mg, Gentamicine 80 Mg, Dexamethasone 4mg, Calcium Injectable, Vitamine C Injectable, Vitamine B Complexe, Serum Glucose Isotonique 5%, Serum Glucose Hypertonique 10%, Ringer Lactate, Serul Sale 9%, Oxygène sy Concentrateur d'oxygène, Bodofotsy, Famanana Rano.

Toky R 

Dans la même rubrique