airtel

Covid 19

16-déc-2021

Covid 19

Analamanga, Vakinankaratra, MatsiatraAmbony Nohenjanina ireo fepetra ara-pahasalamana

Sample post image

Nambara tao anatin’ny filankevitry ny minisitra manokana momba ny fiatrehana ny raharaha ara-pahasalamana noho ny fivoaran’ny coronavirus, fah iditra anatin'ny "fahamailoana ara-pahasalamana" i Madagasikara.

16-déc-2021

 Faritra telo, dia i Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony no voakasika manokana. Mba hahafahana manapaka ny rohim-pifindran'ny valanaretina Covid-19 dia tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 100 anaty efitrano mihiboka, tsy maintsy atao ny arotava sy fanajana ny elanelana 1 metatra, anisan'izany ny am-piangonana; hamafisina ny fanentanana amin'ny fanasana tanana. Somary mampametra-panontaniana io fepetra io hoe: ahoana ireo fety toy ny mariazy efa voafandrika mialoha ny toeram-pilanonana? Averina koa ny laharana maitso 914 sy fampiasana ny CovData, ikirakirana ny antontan’isa sy antontan-kevitra momba ny Covid-19. Mikasika ny fandraisana an-tanana, hametrahana fitiliana TDR (Test de Diagnostic Rapide) ny eny amin'ny CSB II. Tiliana amin'io avokoa izay marary misy soritr'aretina. Omena fanafody maimaimpoana avy hatrany izay manana fitiliana miabo na “positif”. Anjaran'ny mpitsabo kosa ny manapa-kevitra raha tokony hanao fitiliana PCR, eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka ho an'Analamanga, CHU Tambohobe ( Matsiatra Ambony), ho an'ny manana fitiliana miiba tamin'ny TDR. Nohamafisin'ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Andriamanantany Zely Arivelo fa maimaimpoana ny fanafody ho an'ny mararin'ny Covid-19; anisan'izany ny CVO+. Omena CVO tambavy maimaimpoana koa ireo misy soritr'aretina na dia miiba aza ny fitiliana. Nambara fa tsy tokony hihetsika ao an-trano ireo miandry valin'ny fitiliana, ary aterina any an-tranony ny fanafody sy fanamarinana ny fitiliana miabo. Ankoatra izay, nampitomboina ny toerana fanaovana vakisiny, anisan'izany ny Kianja Barea (Analamanga), Kianja Ampasambazaha (Matsiatra Ambony), Gymnase Vatofotsy (Vakinankaratra). Afaka mandray fepetra mifanandrify amin'ny zava-misy isam-paritra ny CRCO ( Centre Régional de Commandement Opérationnel).
ANDRASANA NY FITILIANA MOMBA NY « VARIANT OMICRON » Anisan'ny notsipihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, nandritra ny fitaterany ny fepetra noraisina tamin'ny filankevitry ny minisitra omaly ny hoe: "mbola tsy voamarina ny fisian'ny « Variant » eto Madagasikara. Mbola andrasana ny valin'ny fitiliana « séquençage » izay natao, hoy ny tatitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique