airtel

Covid 19

16-mars-2021

Covid 19

Andoharanofotsy Averina avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra

Sample post image

Miha mahazo vahana ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Tsy mifidy sokajin’olona sy sokajin-taona izany,

16-mars-2021

 

 

 

 antony nanapahan’ny kaominina Andoharanofotsy hevitra manokana ho fiarovana ny mponina. Naverina nanomboka omaly alatsinainy 15 martsa avokoa araka izany ireo karazana fepetra sakana rehetra. Anisan’ireny ny fanaovana arovava orona isaky ny mivoaka ao an-tokantrano eny fa na dia ho an’ireo mijanona aza. Toraka izany koa ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika izay nametrahana fitaovana mifandraika amin’izany toy ny teo aloha mihitsy ny eny anivon’ny Fokontany sy ireo biraom-panjakana ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra. Ho an’ny kaominina manokana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa omaly na i Tota, dia naverina avokoa ireo karazana fepetra mikasika ny fandraisan’olona ho fiarovana ny tsirairay. Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo sefom-pokontany sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly.

Pati

 

Dans la même rubrique