airtel

Covid 19

16-avril-2021

Covid 19

Andry Rajoelina “Tena feno ny hopitaly, rakotra Antananarivo”

Sample post image

Nosokafana omaly 15 aprily 2021 ny CTC-19 etsy amin'ny EPP-CEG Soamandrakizay ary amin'ny asabotsy ho avy izao kosa ny CTC-19 etsy amin'ny Gymnase Couvert Ankorondrano.

16-avril-2021

 

 

 Teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijery ifotony ireo efitra sy ny fandaminana entina hitsaboana ireo marary. Hahazaka mararin'ny Covid-19 miisa hatramin'ny 136 ny etsy Soamandrakizay ary 100 ny etsy Ankorondrano. Nohamafisin'i Andry Rajoelina fa ampy ary maimaim-poana ireo fanafody entina hitsaboana ny Covid-19 eny anivon'ireo toeram-pitsaboana natokana ho amin'izany. "Manameloka ireo izay minia manangona ireo fanafody ireo ary manararaotra ireo mpiara-belona ny Filoham-pirenena. "Mila mifampitsinjo sy mifanome tanana isika miady amin'ity fahavalo tsy hita maso ity ", hoy izy. Nankahery manokana ireo mpiasan'ny fahasalamana ny Filoha Andry Rajoelina ary nanome toromarika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka mba hijery ny fankasitrahana sy ny fankeherezana azy ireo. Nambara fa tena miasa ny mpitsabo fa misy vitsivitsy manimba izany, ka nomena toromarika hijery an’izany ihany koa ny Minisitry ny fahasalamana. Mahery vaika, mifindra haingana kokoa, mandavo olona betsaka tokoa, ka izay no nandraisana fepetra. Nambara fa feno ny hopitaly ka tsy maintsy mitondra sy mametraka vahaolana ny fitondrana.  Ny boriborintany faha-5 no be olona betsaka indrindra eto Antananarivo, ka antony nanokafana ny CTC eny alarobia, Soamandrakizay, Ankorondrano. Isan’ny fanamarihana nataony ilay tranga 859 ho an’ny afak’omaly, ka 624 tamin’izany teto Analamanga, ary ny 451 amin’io teto Antananarivo Renivohitra avokoa.

 

NAMBARA FA AMPY NY FANAFODY

Niaiky I Andry Rajoelina, fa nisy tsy fahampiana “bouteille d'oxygène”. Hanafatra “scanner” maika ho an'ny toerana tsy mbola manana, ka anisany I Tolagnaro, SAVA,… hoy ity Filoha ity. Nambara ihany koa fa manana tahirina fanafody Lovenox ahafahana manao “traitements” 6500 isika , ka tsy tokony hisy marary sahirana sy mitady izany fanafody izany. Mbola hifampitadiavana aloha na ny fanafody sasany na ny “oxygène” hatreto, ary mbola amin’ny vidiny midangana.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique