airtel

Covid 19

15-avril-2021

Covid 19

Ankizy latsaky ny 15 taona “Arovan’ny tsirinaina manokana amin’ny Covid 19”

Sample post image

Ny famaritan’ny OMS ny atao hoe zaza na ankizy dia izay mbola latsaky ny 15 taona, hoy ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo,

15-avril-2021

 

 

 Marius Ramaroson, mpitantana ny Klinika St Thomas etsy Faravohitra. Ireo izany ilay mbola manana karazana tsirinaina na “hormone” antsoina hoe “lymphocytes T” anaty vatan’olombelona vokarin’ilay taova antsoina hoe “thymus”. Io no isan’ny manampy azy ireo amin’ny ady amin’ny valanaretina tafiditra ao anatiny. Tsy miasa intsony io “thymus” io rehefa eo amin’ny taonan’ny fahamaontiana na “puberté” ilay ankizy. Tsy dia mbola nandre angamba isika hoe latsaky ny 15 taona ka matin’ny COVID. Saika 20 taona mahery daholo ireo sendra izay. Ny tena loza anefa, hoy hatrany ny tenany, dia ny fampianarana ireny latsaky ny 15 taona ireny teo no tena nanaparitaka tamin’ireo olon-dehibe sy naha maro ny lavo. Mety tsy hanana soratr’aretina mihitsy tsinona ilay ankizy nefa afaka mamindra aretina ary izay no tena loza tamin’ity. Mora mifindra rahateo ilay “variant” amin’ny maha hoe karazany vaovao azy raha oharina amin’ilay teo aloha. Teo ny fety, teo ny ankizy mianatra fa eo koa ny karazan’ny fisehon’ilay aretina izay misy karazany miisa 3. Eo ilay antsoina hoe “forme légère” izay maivana toy ilay gripa kely mahazatra. Ny “forme modéré” dia rehefa manomboka sempotra ny marary ary “forme grave” moa izy rehefa sempotra be. Rehefa manomboka sempotra ilay olona dia efa manomboka midina any amin’ny taova izay ilay aretina ka amiko dia efa “grave” izany. Sarotra araka izany ilay famaritana ary teo koa no tena naha be ny lavo satria saika efa tonga tany amin’ny tratra daholo vao nahita ilay aretina, hoy hatrany ny tenany. Raha mijery ny olona milahatra fahavoazan’ny tratra fotsiny eny amin’ny toeram-pitiliana ianao izao dia efa tonga hatrany amin’ny laharana faha 350, hoy izy.

J. Mirija

Dans la même rubrique