airtel

Covid 19

14-janv-2021

Covid 19

Anosibe sy Ampasampito Olona 152 nosaziana fa tsy nanao arotava

Sample post image

Niroso avy hatrany tamin’ny fanasaziana ireo olona tsy manao arotava na manao

14-janv-2021

 

 

 

ihany fa eo ambany saoka ny avy amin’ny Polisim-pirenena. Teny amin’iny faritra Anosibe iny dia ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy Mahamasina niaraka ny avy amin’ny kaomisaria afovoany Tsaralalana no nanatanteraka ny hetsika ka 62 no isan’ireo voasazy nanao asa iombonana. Ny 12 amin’ireo dia tsy nanao arotava mihitsy, ny 50 kosa nanao ny azy fa teny ambany saoka. Ny teny amin’ny faritra Ampasampito kosa dia ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo Antaninandro sy ny Polisy avy amin’ny kaomisaria afovoany Tsaralalana no nanao izany. Olona 90 no voasazy ka ny 11 dia tsy nanao fiarovana mihitsy. Ny 79 kosa nanao ihany fa teo ambany saoka. Hitohy isan’andro izao hetsika izao.

Pati

 

Dans la même rubrique