airtel

Covid 19

15-janv-2021

Covid 19

Antananarivo Hopitaly 4 no mitsabo ireo mararin’ny Covid 19

Sample post image

Efa miomana fatratra amin` ny fiatrehan` ny valan`aretina Covid 19 ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka.

15-janv-2021

 

Amin’ity faran’ny herinandro ity no ho vonona sy hisokatra ho an’ny daholo be indray ny Centre de Traitement Covid-19 izay eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Efa eo am-pitaomana ireo fitaovana maro isan-karazany toy ny fandriana, fanafody, “concentrateur d’Oxygène” ny avy eo anivon’ny minisitera manomana izany fisokafana izany. Araka ny fanazavan’ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana eo anivon’ity Ministera ity, Dr Manitra Rakotoarivony, dia tsy ho toeram-pitiliana amam-pizahana fotsiny ihany no atao eny amin’ny Village Voara, fa hatao ho toeram-pitsaboana an’ireo marary ihany koa. Mandra-piandry ny fisokafan’ny eny an-toerana anefa dia nanambara ny tenany fa azon’ireo marary na miahiahy ny tenany ho marary atao avy hatrany ihany koa ny hopitaly HJRA Anosy sy Belefelatanana. Nanambara ihany koa moa ny Dr Manitra Rakotoarivony fa nampiana efatra ireo hopitaly handraisana ny mararin’ny covid-19: ny hopitalin’i Bongatsara, hopitalin’Anosiavaratra, hopitalin’ Anosiala ary ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka. Tanjona amin’ny fanampiana ireo hopitaly ireo ny hanasarahana ireo mararin ’ny covid-19 amin’ireo mararin’ny aretina hafa, hoy ihany izy. 


Marigny A.

Dans la même rubrique