airtel

Covid 19

22-mars-2021

Covid 19

Antananarivo sy ny manodidina CSB II miisa 35 mitsabo ireo voan’ny Covid 19

Sample post image

Efa naparitaky ny Fitondram-panjakana ireo hopitaly afaka handraisana an-tanana ireo olona mararin’ny Covid 19 eto amintsika

22-mars-2021

 

 

. Nahetsika avokoa ireo CSB II maro isan-tsokajiny ho fanavotana ireo tsy salama ka ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia lohalarahana ny CSB II Andoharanofotsy, CSB II Itaosy Cité, CSB II Fenoarivo, CSB II Bemasoandro, CSB II Anosizato Andrefana, CSB II Faliarivo Tanjombato. Toraka izany koa ny eto an-drenivohitra ahitana ny CSB II Isotry Central, CSB II Antsahamamy, CSB II Ambohipo, CSB II Ampasanimalo, CSB II Andohalo, CSB II Antanimena, ny Karma Andraisoro, CSB II Isotry Annexe, CSB II Mahamasina , CSB II Amboniloha, CSS Tsaralalana, CSMI Tsaralalana, Karma antohomadinika, CSB II ambohipo, CSB II Anosipatrana, CSB II Analamahitsy, CSB II Mahamasina ary ny CSB II amboniloha. Ho an’ny distrikan’Avaradrano kosa indray dia afaka mandray ireo tsy salama na ahitana sotritr’aretina ny CSB II Ambohimangakely, CSB II Alasora, CSB II Sabotsy Namehana, CSB II Ankadikely, CSB II Ampahimanga, CSB II Ambohimalaza, CSB II Masindray ary ny CSB II Anosy avaratra. Tokony hanatona ireny tobim-pahasalamana fototra ireny araka izany raha vantany vao mahatsiaro ho tsy salama ho fiarovana ny fahasalaman’ny rehetra.

Pati

Dans la même rubrique