Tamin’ny voalohany 84, ny andro manaraka 240 ary nanomboka ny alatsinainy teo dia 650 isan’andro eo ho eo no tonga nanao vaksinin’ny Covid 19, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha medikaly eo anivon’ny CUA. Mirohatra ny olona, ireo maherin’ny 50 taona sy ireo tanora handranto fianarana any ivelany no tena mazoto. Any Toamasina kosa, nilaharana ihany koa ny fanaovam-baksiny, lasa 1000 isan’andro nanomboka ny alatsiniany teo ireo vonona hotsindronina raha toa ka 200 isan’andro izany tany aloha, izay vao tapa-kevitra ny olona fa niandriandry sy mety nanadihady aloha, nifanontany sy nifandresy lahatra. Raha ny fantatra aza dia efa manakaiky ho lany mihitsy ny fatra azon’ny tao Toamasina, izay ny alakamisy 17 jona izao no farany. Isan’ny mandrisika ny olona hanao ny vaksiny amin’ity andiany voalohany ity moa ny hoe : sao tsy anisan’ireo afaka ny hisitraka sy hahazo izany amin’ny andiany faharoa. Matetika zatra an’ilay miandry ny andro farany vao manao zavatra, izay toa fomba raiki-tapisaka amintsika Malagasy, ka mila ovaina. Na izany aza, zava-dehibe aloha rehefa mahatsapa tena ny olona fa ilaina ny miaro tena, na mbola vitsy aza izany. 250 000 fatra no tonga teto amintsika ny 10 mey. Vaksiny natao ho an’ny sokajin’olona notsongaina, saingy navadika ho an’ny daholobe. Isan’ny fositra nahatonga ny tsy faharisian’ny olona ny Fanjakana. Efa misy ny fivoarana matoa hihazakazahana ny manao vaksiny, ary tokony hitohy ny faharisihana. Hatrany amin’ny 60% amin’ny mponina moa no mila vita vaksiny izay vao mipetraka ny fahazoana fiarovana iraisana na «immunité collective», araka ny fanazavan’ny siantifika.
Toky R