airtel

Covid 19

02-avril-2021

Covid 19

Antenimieram-pirenena Depiote maromaro voan’ny Covid-19 ?

Sample post image

Solombavambahoaka miisa 5 no voalaza fa voan’ny coronavirus taorian’ny fivoriana tsy ara-potoana ny 17-26 martsa,

02-avril-2021

 

raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao tsy miankina iray omaly. Mbola misy ireo solombavambahoaka hafa mandeha ny anarana fa isan’’ny marary amin’izao fotoana, saingy tsy afaka havoaka ny anaran’izy ireo noho ny tsy fahampiam-bavaovao. Isan’ireo marary taorian’ny fitiliana faobe teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny depiote iray avy any Manakara, Ankazobe, Maintirano, ary depiote 2 avy amin’ny fanoherana, hoy io fampahalalam-baovao io. “Resaka izany, siosin-dresaka mandeha fotsiny izany, fa tsy mbola misy an’izany. Tsy misy olona marary izahay, fa salama tsara avokoa hatreto”, hoy ny depiote iray avy amin’ny Antoko TIM raha nakana fanamarinam-baovao tamin’ny antso an-tariby omaly alina momba fisiana depiote avy amin’ny mpanohitra voa. Ankoatra izay, mpiasan’ny antenimieram-pirenena maro ihany koa no voalaza fa marary, ary miditra amin’ny fiandrasan-draharaha na “service minimum” io andrim-panjakana io, ary voafetra ny fahafahana mivezivezy ao amin’ny lapa. Mbola tsy misy kosa ny antontan’’isa mazava mikasika ny antontan’isan’ireo olona voalaza fa voa, raha ny voalazan’io fampahalalam-baovao io hatrany. Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny fivoriana tsy ara-potoana, dia nanao fitiliana covid-19 faobe ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny 26 martsa lasa teo. Tena nisy tokoa ve ny voa saingy mbola tsy tonga any amin’izy ireo ny tatitra? Tamin’ny taon-dasa, ny volana jolay 2020 dia nisy solombavambahoaka nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny covid-19. Maro ihany koa ireo olona ambony sy olom-boafidy teo aloha, lavon’io valanaretina io tamin’ity taona ity. Andrasana ny tohiny na koa fanampim-panazavana na fandisoana momba io fipariahana covid-19 teo anivon’ny antenimieram-pirenena io satria mifamahofaho tanteraka ny resaka amin’izao fotoana izao.

Toky R

 

Dans la même rubrique